♦ Mirongatra tato ho ato ny tsy fandriam-pahalemana eny amin'ny kaominina Alasora, Distrikan'Antananarivo Avaradrano. Nandray fepetra ny Ben'ny Tanàna ka hisy ny mpitandro filaminana hanara-maso ireo olona mampiahiahy... ♦ Miakatra ny tahan'ny vehivavy voan'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza. Manohana amin'ny fanaraha-maso sy mitsabo ny vehivavy tratran'izany ny vondrona Akbaraly... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana solombavambahoaka sy ben'ny tanàna amin'ity taona ity ny antoko AREMA... ♦ Maherin'ny 30.000 ny miaramila Ukreniana maty nandritra ny ady natrehany tamin'i Rosia tao anatin'ny 2 taona...

[audio src="/images/sounds/jma-20240227.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...