♦ Miakatra ny reniranon'i Sisaony noho ny rotsak'orana. Anatin'ny filazana loza manambana na ny loko mavo amin'ny mety hisian'ny tondra-drano ny lemak'Antananarivo lalovan'ny reninrano Sisaony... ♦ Hodinihina eny amin'ny Antenimiera mpanao lalana, mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ny volana mey, ny fehezan-dalana vaovao momba ny asa, hoy ny Minisitry ny Asa, Fampanana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana sôsialy... ♦ Mifarana androany ny taona 2022, ho an'ireo mpandala ny taom-baovao malagasy...
♦ Tsy misy ny antoka milaza fa mampangarahara ny lisitry ny mpifidy ny fanaovana “audit” ataon'ny CENI amin'izao, hoy ny Federasiônn'ny Gadra pôlitika... ♦ Tapaka vonjimaika, tsy azo aleha ny Lalam-pirenena faha-7, mandalo any Behenjy, noho ny tondra-drano, nateraky ny fiavian'ny orana naharitra alina. Niakatra 1 metatra ambonin'ny arabe ny rano any an-toerana... ♦ Hita ilay zazavavy varira, rehefa nisy naka an-keriny, nandritra ny iray volana sy 10 andro, tany Taolagnaro. Nokasain'ireo mpaka an-keriny hamidy 150 tapitrisa Ariary, amin'izay mahasahy mividy azy...
♦ Nivoaka ny trano fivoriana ny vondron'ny mpanohitra omaly, nandritra ny fivoriana fitsirihana ny antontam-baovao mirakitra ny lisitry ny mpifidy, teny amin'ny CENI Alarobia... ♦ Nihemotra ny daty hanaovana ny fifaninanana handraisana mpianatra ho mpandraharahan'ny fonja amin'ity taona ity. Nitombo ny mpifaninana satria tafakatra ho sivy arivo... ♦ Nisy teratany vahiny vitsivitsy, tratra nitrandraka volamena tamin'ny fomba tsy ara-dalana, tao amin'ny reniranon'i Kamoro any Maevatananana. Nosamborina izy ireo, ary nogiazana ireo fitaovana marobe nampiasainy...
♦ Nivoaka ny efitrano fivoriana teny amin'ny foiben'ny CENI teny Alarobia androany, ireo mpanao pôlitika mpanohitra, tao aorian'ny fanambarana natony. Milaza ny tsy handray anjara amin'ny fampihaonana ataon'ny CENI amin'ny zoma, izy ireo... ♦ Tsy nanakana ny dinika niarahan'ny CENI tamin'ireo antoko pôlitika sy ny fiarahamonim-pirenena, nanoina ny antsony, ny fisitahan'ireo mpanohitra... ♦ Tsy voatana ny datin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, izay tokony hatao manomboka ny zoma izao. Ho fantatra tsy ho ela kosa ny daty hanatanterahana izany, hoy ny tompon'andraikitra...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco