♦ Niampy 42 indray ireo mararin'ny Coronavirus eto amintsika, 21 kosa anefa no sitrana... ♦ Nigadona teny Ivato omaly hariva ny fiaramanidina nitondra ireo vehivavy Malagasy 176 nisasa tany Koweit... ♦ Nanangana kitapom-bola iombonana na Basket Fund ny Vondron'ny mapandraharaha malagay na ny GEM, hanampiana ireo orinasa tra-pahasahiranana...

Talata 09 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 13-16 — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Tanterahina manomboka ny alatsinainy 8 jona ilay hetsika ara-barotra mandeha amin'ny tambazotra sosialy ao Vatican, antsoina hoe "We run together" na hoe "Hiara-hihazakazaka isika".

♦ Mahavelom-panantenana fa niampy 21 ireo olona sitrana soa ama-tsara, nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Tonga teny Ivato ny fiaramanidina manokana nitondra ireo vehivavy Malagasy miisa 176, nampodiana, niasa tany Koweit... ♦ Havaozina hifanaraka amin'ny zva-misy eto amin'ny firenena ilay Plan Emergence de Madagascar efa teo aloha hoy Andriamatoa Holijaona Raboana...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...