Niaina fahantrana lalina ny pretra tamin'ny andron'i Don Bosco, ka na dia ny kiraro hanaovana aza dia tokana monja. Tsy nanakana azy tsy hamonjy ny nila vonjy taminy nefa izany.

Nivoitra tamin'ny zaha tany nanalana ny làlana lavitra ny tantaran'ny Zafiraminia sy ny mombamomba azy, ary ny tantaran'i Mananjary : ny niforonan'ny anaran-tanàna. Ny nahatonga ny hoe Mananjary.

Zoma 03 janoary 2020 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 29-34 — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra.

Fanomezam-pahasoavana amin'ny hakingana no anisan'ny talenta ananan'i Don Bosco, ary tena nampiavaka azy tokoa izany ka nahavaky vava ny manodidina sy nanenjehan'izy ireo azy fa hoe : manana fifandraisana amin'ny demony izy.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...