♦ Hanao fitokonana faobe manerana ny nosy anio ireo mpiasan'ny fahasalamana ao anatin'ny sendikan'ny Paramédicaux, ary voalaza fa tsy hisy intsony ny fiandrasan-draharaha eny anivon'ny hôpitalim-panjakana... ♦ Nanohy ny fitokonany indray omaly ireo mpianatry ny Oniversiten'Antsiranana. Mpianatra telo no voasambotry ny mpitandro ny filaminana vokatr'izany...

Talata 9 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 1-13

♦ Tsy tafiditra tao amin'ny faritry ny hôpitaly HJRA androany ireo Paramed. Milaza ny hiroso amin'ny fitokonana faobe izy ireo manomboka rahampitso... ♦ Ny famerenana ireo volamena tratra tany afrika Atsimo no hahafantarana na an'i Madagasikara na tsia ireo harem-pirenena ireo, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany...

♦ Manahy amin'ny toe-java-misy any amin'ny faritra atsimon'ny  nosy ny rafitra iraisam-pirenena. Olona an'arivony avy any amin'ny faritra Androy no mifindra monina... ♦ Misedra fahasairanana ny sekolim-panjakàna sasany noho ny tsy fahazoan'ny mpampianatra Fram vola fanampiana... ♦ Tsy mbola miverina ny fahafahana mitrandraka ala taorian'ny fepetra noraisin'ny ministeran'ny tontolo iainana...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...