Talata 23 marsa 2021 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Ny tenin’Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 21-30
♦ Andro farany mialoha ny hikatonan'i Mahajanga ny androany. Nataon'ireo kaoperativam-pitaterana lohalaharana ireo mpandeha tsy maintsy hamonjy fodiana, tonga teny Andohatapenaka... ♦ Niaiky ny UCTU fa tsy voahaja ny elanelana iray metatra any anaty Taxibe. Tsy mahomby mantsy ny fitondrana mpandeha efatra-efatra...
♦ Manomboka miditra amin'ny andiany faharoa amin'ny valan'aretina Covid-19 ny eto Madagasikara. Efa ahitàna ilay coronavirus nivoatra variant "Sud-Africain" eto amintsika... ♦ Misy ny milaza fa hanongana ny fitondrana ny katôlika, taorian'ny fanambarana nataon'ny K3F tany Fianarantsoa. Namaly izany ny Eveka Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Andro iraisam-pirenena ho an'ny Francophonie ny tamin'ny Sabotsy 20 marsa teo ary faha-51 taonan'ny OIF...
Alatsinainy 22 marsa 2021 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 1-11
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco