Tamin’izany andro izany, i Jesoa niseho tamin’ny mpianany indray teo amoron-dranomasin’i Tiberiady ary toy izao no nisehoany: Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay natao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Pièra tamin’izy ireo: "Handeha hanarato aho." Fa hoy ireo taminy: "Handeha hiaraka aminao koa izahay." Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny. Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Manan-kanina va ianareo, anaka?" Dia hoy ny navaliny Azy: "Tsia." Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo." Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: "Ny Tompo io." Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny sy nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano.

Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray eo amboniny ary mofo. Ary hoy i Jesoa taminy: "Itondray ny hazandrano vao azonareo." Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Avia hisakafo." Ny mpianatra izany tsy nisy na dia iray aza, sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao? satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Izay no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rahefa nitsangan-ko velona Izy.

Tamin’izany andro izany, dia notantarain’ireo mpianatra roa lahy tany Emaosy tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy teo am-pamakiana ny mofo. Mbola niresaka toy izany eo izy ireo, dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa Izaho ihany." Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany. Ka hoy Izy taminy: "Nahoana no mitebiteby ianareo, ary nahoana no mihanahana ao am-ponareo? Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy itý: tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao." Ary rahefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony. Ary raha ilay mbola tsy nino ihany iny izy ireo noho ny hafaliany sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy: "Moa manan-kanina eto va ianareo?" Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy, ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra, ary ny sisa nomeny azy ireo. Dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny Mpaminany ary ny Salamo." Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina, ka hoy Izy taminy: "Araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany."

Tamin’izany andro izany, nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana i Maria. Ary teo am-pitomaniana, dia nitanondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy ka nahita Anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny Vatan’i Jesoa, ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra. Dia hoy izy ireo taminy: "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?" Ka hoy izy namaly ireo: "Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy." Nony avy nilaza izany izy dia nitodika, ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io. Ary hoy i Jesoa taminy: "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?" Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: "Raha ianao re no naka Azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy." Dia hoy i Jesoa taminy: "Ry Maria!" Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe: "Rabony" (izany hoe Mpamianatra). Ary hoy i Jesoa taminy: "Aza mikasika Ahy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: "Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo." Dia lasa i Maria Madelena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe: "Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko."

Tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, nony efa nahita ny Anjelin’ny Tompo i Maria Madelena sy ilay Maria anankiray, dia niala faingana teo amin’ny fasana, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra. Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: "Arahaba." Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony sy niankohoka teo anatrehany. Dia hoy i Jesoa taminy: "Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy." Mbola teny an-dalana izy ireo, dia indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna, ka nilaza tamin’ny lohandohan’ny mpisorona ny zavatra rehetra vao niseho. Dia novorîn’ireo ny loholona ka rahefa niara-nidinika teo izy, dia nanome vola be ny miaramila, ary nilaza taminy hoe: "Aelezo amin’ny olona fa tonga halina ny mpianatra nangalatra Azy raha mbola natory izahay hoe; ary raha sendra ren’ny governora izany, dia izahay no hanony azy tsy haninona anareo." Dia nandray ny vola ny miaramila, ka nanao araka ny teny nomeny azy. Ary izany teny naelin’izy ireo izany no mbola inoan’ny Jody mandraka androany.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...