♦ Mbola ny Faritra Analamanga no ivon'ny valanaretina Covid eto Madagasikara. Ny 149 amin'ny tranga vaovao 224, mitondra ny tsimokaretina, dia teto Analamanga avokoa araka ny tatitra androany... ♦ Mikarakara atrik'asa handinihana ny rafitra ho famokarana sakafo eto Madagasikara ny FAO sy ny CIRAD...
♦ Mivory voalohany androany ireo mpikamban'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana. Andrasana ny fifidianan'izy ireo izay ho foloha vaovaon'ny HCC... ♦ Nodimandry ny solombavambahoaka an'i Manakara Giscar Andriano, araka ny fampitam-baovaon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Maniry hatao vaksiny fanefitry ny coronavirus ny 76%-n'ny Malagasy, araka ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International...
♦ Nitokona tamin'ny omaly ireo mpitatitra teto Antananarivo sy ny tany amin'ny faritra sasany. Misy kolikoly ny mbola fahafahan'ny sasany miditra sy mivoaka ny faritra... ♦ Fifidianana Ben'ny tanàna Nosy-be : Voahosihosy ny fahefàna famoahana didiy momba ny fifidianana, hoy ny KMF/Cnoe... ♦ Olona 6 indray no matin'ny Covid teto Madagasikara omaly...
Talata 13 avrily 2021 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 7-15
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco