Alakamisy 29 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20

♦ Niofana niaraka tamin'ny DSI, mba hahatomombana ny fivoriana amin'ny alalan'ny "visioconférence", ireo solombavam-bahoaka androany... ♦ Niampy 17 indray ireo lavon'ny Coronavirus. Niabo kosa ny isan'ireo sitrana, raha oharina tamin'ny tranga vaovao... ♦ Nihetsika ary miantso vonjy amin'ny mpitondra kosa, ireo mpandraharaha voakasiky ny olan'ny fizahan-tany any amin'ny Faritra Menabe...

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: "Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atý aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rahefa tonga izany. Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny filohan’izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy, fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’i Tômà nanao hoe: "Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy." Dia hoy i Filipo taminy: "Asehoy anay ny Ray, Tompoko, dia ampy ho anay izany." Fa hoy i Jesoa taminy: "Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray? Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.

Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka izay rehetra angatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo dia hotanterahiko izany."

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...