Natao hitandro ny hasin'ny fiaraha-monina ny kristianina, satria izy ireo no fanasin'ny tany. Misy fitsipika mifehy ny fiainana kristianina mba hahafahana manamasin-tena.

Fandalinam-pinoana momba ny finoana kristianina, miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Arsidiosezy Antananarivo.

Nampihatra fomba fambolena voatabia nohatsaraina, ahazoana vokatra haingana ao anatin'ny fotoana fohy ary mandava-taona, mampihena ny vola mivoaka amin'ny fividianana masomboly ny fikambanana Lanja Miakatra... 

♦ Tontosa androany maraina, tety amin'ny tranon'i Don Bosco ety Ivato, ny fifanaraham-piaraha-miasa hampiroboroboana ny sehatry ny asa tanana. Nanome voninahitra izany, ny Minisitra Ramatoa Ratsiraka Sophie... ♦ Hotanterahana ny 16 ôktôbra ho avy izao ny fifidianana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny holafitry ny mpanao gazety, eto Madagasikara...

Mampivelatra ny sain'ny tanora ny fampiasàna ny talentany, anisan'izany ny slam. Mampiroborobo ny maha-olona sy ahafahana maneho ny hevitra sy ny fahaizana amin'ny alalan'ny teny, ny soratra sy ny fikarohana. Manentana ny tanora hikaroka sy hampiasa ny talenta ao anatin'ny kolotsaina sy ny soatoavina...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...