♦ Mpiara-miombon'antoka ara-tantara amin'ny Madagasikara efa ho 60 taona ny vondrona Eraopeana, mbola maro ny fiaraha-miasa ho atao, hoy ny filohan'ny repoblika teny Ivoloha omaly... ♦ Misy mpiasan'ny fahasalamana maka vola amin'ny fanaovam-baksiny fanefitry ny Covid-19, any amin'ireo toerana lavi-dalana hoy ny Transparency International... ♦ Mitaky ny hampiakarana ny vokatra Litchis ahondrana eo amin'ny tsena iraisam-pirenena sy hitazomana ny vidiny tsy hiovaova ny mpisehatra amin'izany...
Ekena fa Antso tokana iantson'Andriamanitra ny isam-batan'olona ny fahamasinana, saingy tsy mora ary tsy mandeha ho azy no hahatongavana amin'izay. Maro samihafa ny safidim-piainana azo hizorana hamaliana io antso ho amin'ny fahamasinana io ka ilana fomba ny hamantarana azy. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
♦ Lohahevitra telo no nifantohan'ny dinika pôlitika andiany faha-9 teo amin'ny Vondrona Eorôpeana sy i Madagasikara, izay notanterahana teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany... ♦ Nampahafantarina sy natolotra androany ho an'ny fitondram-panjakana malagasy ny antontan-kevitra tsara ho fantatra momba ny fifidra-monina misy eto amintsika... ♦ Misy mpiasan'ny fahasalamana maka vola amin'ny fanaovam-bakisiny fanefitry ny Covid-19 any amin'ireo toerana lavi-dalana, raha ny tatitry ny Transparency International Initiative Madagascar...
♦ Tontosa ny 12 hatramin'ny 14 novambra 2021 ny Antenimieran'ny Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nomarihana tao amin'ny Diôsezin'i Mananjary, ny 11 sy ny 14 novambra 2021 ny tsingerin-taona nahatongavan'ny Masera Saint Joseph de Cluny sy ny Masera Bénédictines de Sainte Batilde, teto Madagasikara... ♦ Nikarakara fikaonan-doha iraisam-pirenena androany, ny Vaomieran'ny Covid-19 ao Vatican, izay sahanin'ny Dikastera momba ny fampivoarana manontolo ny maha olona...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco