♦ Ahiana hiditra an-tanety eo anelanelan'i Toamasina sy i Vohipeno, amin'ny talata 22 febroary izao ny rivodoza mahery vaika Emnati... ♦ Hivoaka anio kosa ny fehin-kevitra tinapaky ny Vondrona Eoraopeanina sy ny Vondrona Afrikanina, mikasika ny vinam-piaraha-miasan'ny vondrona roa tonta, Taona 2030... ♦ Aleo hisokatra ny fanadihadiana momba ny raharaha hanenjehana ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha, Imbiki Herilaza, ka tokony ho rafi-panjakana mahefa no hanao izany, raha ny fanehoan-kevitry ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara...

Loza ho an'ny soatoavina moraly maha-olona ny fampitsaharana vohoka. Ny kalitaon'ny aina dia tsy manan-danja mihoatra ny hasin'ny aina maha-olona.Tsy mampihena ny hasina maha-olona ny fiiban'ny kalitaon'ny aina. Noho izany, ny fahasembanana ny zaza ao am-bohoka dia tsy afaka manamarina velively ny fandatsahana ny ainy. Fandaharana momba ny hasin'ny aina iarahana amin'i P. Nicholson Avotriniaina, Doctorant en théologie morale, Université Pontificale Urbaniana

♦ Hofaranana amin'ny 31 jolay 2022 ny Sinaody nasionaly eto Madagasikara, fanomanana ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Ilaina ny fahaiza-mihaino sy ny firaisan-tsaina, manoloana ny fiovan'ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena, vokatry ny Covid-19... ♦ Natokan'ny Papa François ho taona masina hanamarihana ny fahateraham-baovao ny taona 2025...

Manimba ny tontolo iainana indrindra fa ny faritra mando manodidina ny farihin'Alaotra ny faharavan'ny zetra manodidina azy. Velom-panahiana ireo mpandala ny fiarovana ny zava-boahary fa tsy ho hita ao Alaotra intsony ny zetra raha mbola mitohy ny fanimbana azy...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...