Fitandroana ny soa iombonana. Zavatra tsara ho an'olona no antsoina hoe "soa" eto, zavatra mampivelatra eo amin'ny fiainana. Zavatra mahavoafaoka ny maha-izy azy, manontolo, na ara-batana, na ara-panahy eny fa ny ara-tsaina ihany koa. Ny hetra haloa dia hofitsinjovana ny soa iombonana : hikarakarana ny fiainam-bahoaka. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Ry kristianina havana, tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy isika amin’izao fotoana izao. Ny karemy raha faritana dia mipetraka amin’ny andry telo lehibe: ny vavaka,ny fifadian-kanina, ny asa fitiava-namana. Ny karemy ihany koa dia fotoana iray hanasana antsika hiaina lalindalina kokoa ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, araka ny hafatry ny Papa François ho an’ny karemy tamin’ny taon-dasa.

Alakamisy 3 marsa 2022 — Alakamisy manaraka ny lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 22-25

♦ Miantso ireo Solombavam-bahoaka namany, ny vondrona Parlemantera TIM, hiroso amin'ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta. Tsy mahafehy andraikiny intsony ny fitondrana mpanatanteraka, hoy izy ireo, raha nanao fanambarana teny Tsimbazaza androany... ♦ Mitokona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny mpiasan'ny CROUA maherin'ny 200 eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Manambana ny hanao fitokonana koa ireo mpandraharaha miasa eny an-toerana, noho ny ambaran'izy ireo fa fanaovana anjorom-bala amin'ny fahazoana ny tambin-karama...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...