Aza sasatra manao ny tsara amin'ny namantsika amin'ny asa fitiava-namana azo tsapain-tanana. Mandritra ity karemy ity, manaova asa fiantrana amin-kafaliana. Andriamanitra izay "manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, dia miahy antsika tsirairay, tsy hoe mba hanan-kohanina fotsiny fa mba hahafahantsika maneho fa malala-tanana isika. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
Ao anaty herinandro faha-roa amin’ny Karemy isika. Hodinihintsika manokana mandritra ny herinandro ireto hatsaram-panahy roa lehibe izay mifototra indrindra amin’ny fiainana maha-kristianina antsika tsirairay avy : « Fangorahana sy fahalalan-tanana ». Fandinihina masina iarahana amin'ny Fr. Michel Fabrice Razafimandimby, sdb.
Alatsinainy 14 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 36-38
Aza sasatra mamongotra ny ratsy eo amin'ny fiainantsika. Hankahery ny fanahintsika hiady amin'ny fahotana anie ny fifadian-kanina hanentanan'ny karemy antsika. Aza sasatra ny mangata-pamelana amin'ny sakramentan'ny fibebahana sy ny fampihavanana amin'ny fahafantarana fa tsy sasatra ny mamela antsika Andriamanitra. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco