♦ Lalan'ny firaisan-kina, izay no hatao anaran'ny Lalam-pirenena faha-13. Natomboky ny Filoham-pirenena tany Ambovombe androany, ny fanamboarana ity lalana ity... ♦ Tsy mankasitraka ny fanenjehana sy ny fanakorontanana ny fitondrana ankehitriny ny VMF, ary tsy mankasitraka ny fikasan'ny mpanohitra, hanao fiaraha-mitantana... ♦ Miantso ny FFKM sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, handresy lahatra ny fitondrana amin'ny tokony hanatanterahana fikaonan-doham-pirenena, ny tanora RMDM...
Tanora efatra hetsy isan-taona no tonga eo amin'ny tsenan'ny asa, eto Madagasikara, araka ny tarehimarika misy. Tsy afaka mandray azy ireo anefa ny orinasa misy eto amintsika noho ny tontolo ara-toekarena. Ny sehatr'asa eny ambanivohitra no mamaha olana amin'izay tsy fahampian'ny asa atolotra izany. Mitaky fahaiza-mamokatra izany, tsy ho tratra raha tsy amin'ny alalan'ny fiofanana.
♦ Mbola tsy hisy ireo mpianatra eny amin'ny Sekoly Katôlika, hifidy ny "Série OSE" amin'ity Bakalôrea ity... ♦ Malailay fonosana no sady sarotra ampiana ny fitondrana mijoro ankehitriny, hoy Sendikà SECES. Nanapa-kevitra ny hiverina hiasa ny Birao nasionaly na dia tsy nisy varany aza ny fitakiana... ♦ Tsy niandry ela ny fiverenan'ny herinaratra teny Itaosy, raha vao nanomboka nihetsika ireo mponina...
Mila ampahafantarina ny tanora ireo voka-dratsin'ny zava-mahadomelina : ara-batana, ara-tsaina, ara-piaraha-monina. Mila resen-dahatra sy entanina ny tanora tsy hiroso amin'izany. Tsy maintsy mandray an-tanana ny fitaizana sy ny fanaraha-maso ny zanany ny ray aman-dreny. Manana ny tandrifiny ihany koa ny haino aman-jery, ny sehatry ny fampianarana, ny fikambanana samihafa ary ny fiaraha-monina : mifampiresaka sy manentana ny tanora hanaja ny vatany satria tempolin'Andriamanitra ny tenany.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco