Talata 26 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 36-43
♦ Nilaza ny RMDM androany, fa mbola hiverina eny an-kianja, na dia tsy tanteraka aza ilay fihaonam-be ho fanavotam-pirenena nokasainy ny sabotsy teo... ♦ Nanameloka ny fihetsika nisakanana iny hetsika iny androany ny HVM. Rariny anefa raha nosakanana izany satria tsy nahazoana alalana, hoy ny VMFM. Miantso ny andaniny sy ny ankilany mba handini-tena etsy ankilan'izany ny CFM... ♦ Nanomboka androany hatramin'ny alakamisy izao ny bakalorea teknika andiany faharoa...
♦ Nankalaza ny faha-75 taona nanandratana ho amin'ny laharan'ny olomasina an'i Masindahy Louis Marie Gignon de Montfort ny Fikambanana Montfortain, miasa any amin'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Nofaranana omaly ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan'ny CEPAL... ♦ Nigadona tao Edmonton, Canada, omaly alahady 24 jolay 2022 ny fiaramanadina nitondra ny Papa François...
♦ Efa navotsitra ny sekretera jeneraly sy ny mpandrindra nasiônalin'ny antoko TIM, taorian'ny fisamborana nandritra ny hetsiky ny RMDM teny Behoririka... ♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalorea teknika sy teknôlôjika manomboka anio ireo mpianatra amin'ny kilasy famaranana eny anivon'ny Lisea teknika. Mpiadina 11.631 no voasoratra anarana manerana ny nosy... ♦ Misaona ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry teo amin'ny faha-87 taonany ny sabotsy hariva teo i Remi Rahajarizafy mpanao gazety zokiolona... ♦ Mitsidika any Canada nanomboka omaly hariva ny Papa François...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco