Zoma 12 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 3-12

♦ Mihatery ny fahalalahana maneho hevitra, eto Madagasikara, amin'izao akaiky fifidianana izao. Fomba fahitan'ny vovonan'ny fiarahamonim-pirenena Rohy izany... ♦ Handray andraikitra amin'ny fanaraha-maso ireo seranam-piaramanidina ny fanjakana, hitiliana ilay aretina "Variole de singe"... ♦ Lavo teo amin'ny ankatoky ny famaranana ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy tamin'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona. Tamin'ny isa 98 noho 66 no nandresen'ny Ejipsiana antsika, tany amin'ny kianja mitafon'Antsirabe...

♦ Misedra olana amin'ny fanarahana fianarana ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara araka ny fanadihadiana nataon'ny Instat. Ny 42% amin'izy  ireo no tsy tafiditra an-tsekoly... ♦ Lesoka amin'ny fizahan-tany amin'ny faritra sasany eto Madagasikara ny tsy fivoarana amin'ny tolotra omena ny mpizaha-tany hifanaraka amin'ny filàn'ny vaninandro ankehitriny... ♦ Hanao ny lalao manasa-dalana amin'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona ny Ankoay sokajy vehivavy anio. Hihaona amin'ny ekipam-pirenena ejipsiana ao amin'ny kianjan'i Vatofotsy-Antsirabe izy ireo anio tolakandro... ♦ Nanambara ny filoha korena tavaratra Kim Jong Un fa naharesy ny valan'aretina Covid19 izy ireo...

♦ Feno 31 taona omaly ny 10 aogositra 1991, diaben'ny fahafahana niainga teo amin'ny kianjan'ny 13 mey nankeny Iavoloha niafara tamin'ny rà nandrika. Tokony haka lesona tamin'ny zava-nisy nahatonga ny 10 aogositra ny fitondrana, hoy ny antoko MFM... ♦ 3% isan-taona ny taham-pitombon'ny mponina eto Madagasikara, araky ny fanadihadiana fanisam-bahoaka sy toeram-ponenana andiany fahatelo. Nampahafantarin'ny Instat tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny vokatr'izany... ♦ Tafiakatra amin'ny ankatoky ny famaranan'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona ny ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy... ♦ Mitsidika aty Afrika ny lehiben'ny diplomasia amerikana. Taorian'ny tany RDC, hiazo an'i Rwanda Andriamatoa Antonny Bliken...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...