♦ Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, midangana ny vidim-piainana. Isan'ny noresahan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa izany androany, raha namarana ny fivoriana tsy ara-potoan'ny Antenimieram-pirenena izy. Tsy hanelingelina ny Governemanta kosa ny Antenimieran-doholona, hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Hatao faritra manokana, hisitaka amin'Alaotra ny ao Mangoro, misy ny Distrikan'i Moramanga sy Anosibe an'Ala. Fantatra izany androany, nandritra ny lahatenin'ny Filoham-pirenena, nitokana zava-bita maro tao amin'ny Distrikan'i Moramanga...

♦ Manentana ny olona hikolo ny fifandraisana amin'ny marary, ny Papa François, amin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany faha-32 ho an'ny Marary... ♦ Hotanterahana ny 10 sy ny 11 febroary 2024, ny fivoriambe voalohany amin'ity taona ity, ho an'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra, eto Antananarivo... ♦ Fahakiviana ara-panahy sy fanakanana ny olona tsy hiaina am-pifaliana ny alahelo, hoy ny Papa François tamin'ny Audience générale farany teo...

Mamaha olana amin'ny fahasahiranana ara-bolan'ny mponina eny ambanivohitra, ny fanaovan'izy ireo ombona tahiry ifampisamborana na ny GVEC. Nanana traikefa efa ho valo taona tamin'izany ny fikambanana “Fanantenana”, ao amin'ny Fokontany Antandrokomby, Kaominia Mahitsy, ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo.

♦ Namerina indray ny maha sehatra ifanakalozana sy ifanatonana ny Antenimieram-pirenena, ny Filohan'ity andrim-panjakana ity, Christine Razanamahasoa, nandritra ny lanonam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoana androany... ♦ Nomem-boninahitra manokana nandritra ny fetin'ny Orchidées andiany faha-28, izay tanterahana ao amin'ny Conservatoire Princesse de Galles, any Londres, ny hakanton'ny harena voajanaharin'i Madagasikara... ♦ Nandray andraikitra manoloana ny firongatr'ireo olona voasarika sy voambaka amin'ny hypnose, ny mpitandro ny filaminana ao Betafo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...