Ny fitiavana dia mifototra amin'ireto teny telo ireto : fifampitokisana, fifanajana, fitiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mitombo ny isan'ny tanora eo anelanelan'ny 17 ka hatramin'ny 25 taona mitondra ny tsimok'aretina VIH SIDA eto Madagasikara. Natoritory ny ady atao amin'ity aretina ity taorian'ny valan'aretina COVID hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Mitaraina ireo mpiasa manana toerana ambony any amin'ny orinasa tsy miankina fa niakatra be ny hetra IRSA alaina amin'ny karama... ♦ Mbola malalaka ny tsena ho an'ny famokarana tantely eto Madagasikara. Manana fiaraha-miasa ahafahana manondrana vokatra hatrany amin'ny 18 taonina isan-taona ny ao amin'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra... ♦ Miantso ny fitondrana israeliana hampitsahatra ny fanafihana any Gaza ny filoha Frantsay...
Ny khat dia amidy toy ny fivarotana legioma any amin'ny faritra maro. Ny fiankinan-doha amin'ny khat dia ahitana ny ambaratonga rehetra misy amin'ny fiaraha-monina. Olon-tsotra, olona tsy an'asa, ny mpamily sy ny mpandeha taxi-brousse, mpitantana, mpianatra, manampahefana, ny zaza amam-behivavy, samy mihinana azy avokoa. Ny mpivarotra iray dia mety halafo 9 ka hatramin'ny 10 fehezana isan'andro. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
15 febroary 2024 — Alakamisy, manaraka ny Lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 22-25)
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco