Ny vavaka, ny fivavahana dia fitodihana any amin'Andriamanitra ; fankatoavana, finoana sy fitokisana Azy. Fanandratana ny fo, fanahy sy ny tena manontolo mankany amin'Andriamanitra mba hisaotra amin'ny fanomezany. Ny Litorjia dia fanompoam-pivavahana ataon'ny vahoaka ho an'ny vahoaka, asa iaraha-manao ka misy firindràna efa raikitra. Ao amin'ny Litorjia no anohizan'ny Eglizy ny asa-pamonjena...  Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

28 ôktôbra 2024 — Masindahy Simôna sy Joda, Apôstôly — Fankalazana — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-16)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 47, 1-2. 8-9. 12)

Ary nahita rano nivoaka avy ao an-Tempoly aho, ary velona avokoa izay nalehan’io rano io.

Tamin’izany andro izany,
dia nentin’ny Anjely niverina ho eo amin’ny varavaran’ny trano indray aho.
Ary indro nisy rano nivoaka avy eo ambanin’ny tokonan’ny trano,
amin’ny lafiny atsinanana,
fa mitodika miatsinanana ny anoloan’ny trano;
ka nidina ny rano
avy ao ambanin’ny lafin-trano ankavanana tao atsimon’ny ôtely.
Nentiny nivoaka tamin’ny alo-baravarana avaratra aho,
dia nsainy nanodidina eo ivelany aho
mandra-pahatonga eo amin’ny alo-baravarana ivelany
mitodika miatsinanana;
ka indro ny rano nandeha tamin’ny lafiny ankvanana.
Hoy izy tamiko:

“Ity rano ity
dia mandeha mankany amin’ny faritany atsinanana;
hidina ho any amin’ny tany lemaka
vao hiditra ho ao amin’ny ranomasina;
hoentina mankany amin’ny ranomasina izy,
dia ho tonga mahasalama ny rano.
Ny zava-manana aina mihetsiketsika
any amin’izay alehan’ny ony roa,
na aiza na aiza,
ho velona avokoa,
ka ho be dia be ny hazandrano;
satria raha vao tonga any ity rano ity,
dia ho tonga mahasalama ny ranomasina,
ary hahavelona avokoa izay alehan’ny ony maria.
Eo akaikin’ny ony,
amin’ny morony an-daniny avy,
hisy hazo mamoa isan-karazany haniry,
ka ny raviny tsy mba halazo,
ary ny voany tsy mba hitsahatra.
Hamoa voa vaovao isam-bolana izy,
satria hivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony;
ny voany ho fihinana tsara
ary ny raviny ho fanasitranana tsara”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 45, 2-3. 5-6. 8-9

Ny Tompon’ny Tafika no momba anay, ny Andriamanitr’i Jakôba no Fiarovana-Avonay.

Andriamanitra ny anay no aro sy hery,
hita hatrizay fa mamonjy amin’ny sarotra;
izahay tsy hanahy raha ny tany hihozona,
ny vohitra hihovotra afovoan-dranomasina.

Misy ony mampifaly ny tanànan’Andriamanitra,
ny masina indrindra amin’ny fonenan’ny Avo:
tsy hirona fa Andriamanitra eo anivony
ka hamonjy raha ho avy ny maraina.

Ny Tompon’ny Tafika momba anay;
ny Andriamanitr’i Jakôba: Fiarovana-Avonay!
Tongava hizaha ny asan’ny Tompo,
ny zava-mahagaga vitany eran-tany.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 3, 9b-11. 16-17)

Tempolin’Andriamanitra ianareo.

Ry kristianina havana,
trano arafitr’Andriamanitra ianareo.
Noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy,
dia nanao fanorenana toy ny tompo-marika mahay aho,
ary ny hafa kosa nandrafitra eo amboniny.
Samia anefa mitandrina izay narafiny eo amboniny;
satria tsy misy mahazo manao fanorenana hafa
afa-tsy izay efa vita, dia i Jesoa Kristy.
Tsy fantatrareo va
fa tempolin’Andriamanitra ianareo,
ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?
Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra
dia horavan’Andriamanitra kosa,
satria masina ny tempolin’Andriamanitra,
dia ianareo izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-22)

Ny Vatany no Tempoly nolazainy.

Nony akaiky ny Pakan’ny Jody
dia niakatra tany Jerosalema i Jesoa.
Ary hitany tao anatin’ny Tempoly
ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromahailala
ary ny mpanakalo vola nipetraka tao,
ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy,
dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry
hiala amin’ny Tempoly;
nararany ny volan’ny mpanakalo vola,
nazerany ny latabatra,
ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala:

“Esory eto ireo,
fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko”.

Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe:

Ny fitiavako ny tranonao no maharìtra ny aiko.

Fa niteny koa ny Jody ka nanao taminy hoe:

“Inona no famantarana asehonao aminay
no manao toy izao Ianao?”

Dia namaly azy i Jesoa nanao hoe:

“Ravao ity Tempoly ity,
fa hatsangako indray amin’ny hateloana”.

Ka hoy ny Jody:

“Enina amby efapolo taona
no nanaovana ity Tempoly ity,
ka Ianao ve dia hanangana azy indray
amin’ny hateloana e?”

Ny Vatany anefa no Tempoly nolazainy.
Ary nony tafatsangan-ko velona Izy,
dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany,
ka nino ny Soratra Masina
sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 3, 17 — 4, 1)

Miandry Mpamonjy izay hanova ity vatantsika mora simba ity isika, hampitovy endrika azy amin’ny vatany be voninahitra.

Ry kristianina havana, makà tahaka ahy ianareo;
ary diniho ireo mandeha araka ny ohatra hitany taminay.
Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny,
fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy.
Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny,
ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany,
ny zavatry ny tany no hany ankamamìny.
Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika,
ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity,
ka hampitovy endrika azy amin’ny vatany be voninahitra,
araka ny herin’ny fahefana nampanekeny Azy ny zavatra rehetra.
Koa amin’izany, ry kristianina havako, mamiko indrindra, fifaliako aman-tsatro-boninahitro,
mahareta tsara ao amin’ny Tompo araka izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5

Faly aho nilazana hoe: Andao ho any an-tranon’ny Tompo.

Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra.
Nilazana fa hizotra any an-tranon’Izy Tompo.
Indro tonga soa ’zahay tapitr’eto re ny dia.
Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.

Ao no niakaran’ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo.
Ao ny Anaran’Izy Tompo no derain’i Israely.
Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao.
Ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 1-8)

Hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy, noho ny zanaky ny fahazavana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana
izay nampangain’ny olona taminy fa nandany ny fananany.
Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe:
‘Ahoana izany fandrenesako anao izany?
Avoahy kely hoe ny fitandremanao,
fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao.’
Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe:
‘Inona re no hataoko,
fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho ity?
Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy.
Aoka fa fantatro izay hataoko,
mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony rahefa esorina amin’ny raharahako aho.’
Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony,
ka hoy izy tamin’ny voalohany:
‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’
Dia hoy io:
‘Diloilo injaton’ny barika.’
Dia hoy ilay mpitandrina taminy:
‘Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo.’
Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray:
‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’
Hoy io hoe:
‘Vary injaton’ny famarana.’
Dia hoy ilay mpitandrina:
‘Raiso ny taratasinao, ka soraty valopolo.’
Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena,
fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy
noho ny zanaky ny fahazavana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...