Ny vavaka tsotra dia mametraka ny fiainantsika eo am-pelan-tanan'ny Tompo satria Izy no mpitari-dalana antsika ; môdely i Masina Maria ny amin'izay vavaka izay satria tsy be resaka izy fa manao vavaka mangina. I Masina Maria dia mivavaka amin'ny maha Reny azy sy amin'ny maha-mpianatra azy. Tena Reny hafakely ho antsika kristiana i Masina Maria, tena nanana fo misokatra... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
2 ôktôbra 2024 — Ny Anjely Mpiambina — Fahatsirovana — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mpankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 1-5. 10)
♦ Mifanome tanana amin'ny fanamboaran-dàlana ao an-drenivohitra, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Minisiteran'ny Asa vaventy. Nanome toromarika ny Filoham-pirenena, hoy ny Minisitra... ♦ Tanterahana eto Antananarivo ny atrikasa fiofanana iraisam-pirenena momba ny tsenan'ny karbôna sy ny tsara ho fantatra momba izany. Hetsika karakarain'ny fikambanambe iraisam-pirenena RRI sy SIF... ♦ Hitohy amin'ny 1 hatramin'ny 3 nôvambra 2024, ny Festival Pirates any Sainte Marie. Ny hanetsehana ny fizahan-tany sy ho fampahafantarana ny tantaran'ny Nosy Boraha no tanjona...
♦ Naneho hevitra momba ny fifidianana Ben'ny Tanàna, ny Filoham-pirenena omaly hariva. Tsy tokony ho toerana hananganana ady intsony Antananarivo, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Tafapetraka ho Sekretera Jeneraly vaovaon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana Andrimatoa Adgard Razafindravahy. Handray ny fihaonana antampon'ireo Filoham-panjakan'ny COI isika amin'ny fiandohan'ny taona 2025... ♦ Ho tratra ny vinavina fampidiram-bola amin'ny fandintseranana ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana amin'ny faran'ity taona ity...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco