Ny fanabeazana ao an-tokantrano dia mampianatra ny zanaka ho tompon'andraikitra ; tsy misy ny fiatsaram-piainana raha tsy misy ny fandraisan'andraikitra miainga amin'ny tenanao. Tsy mora ny fanovàna ny toe-tsaina fa ilàna finiavana, miainga amin'ny fampiasana ny hery anaty. Miainga amin'ny tsirairay ny fiovana. Ny fikarakarana vatana dia misy akony tsara ho an'ny saina, avy eo miitatra amin'ny fo sy fanahy, izay fototry ny fandraisan'andraikitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Naneho ny heviny manoloana ny toe-java-misy ara-pôlitika tato ho ato ny RMDM. Miantso ny hanamafisana ny firasian-kina hijerena ny tombontsoa ambony ho an'ny firenena tsy hitazam-potsiny ny zava-misy izy ireo...
  • Nanome toky ny ben'ny tanàna an'Antananarivo renivohitra fa tsy handika ny fifanarahana tamin'ireo mpanolontsaina monisipaly izy...
  • Marihana androany ny andro eran-tany ho an'ny RADIO. Hisy ho antsika eto Madagasikara ny fandaharana iombonan'ny onjam-peo maro hanehoana ny fanamarihana izany...
  • Nifampiresaka tamin'ny alalan'ny antso an-taroby ny filoha amerikana sy ny filoha rosianina. Fifampiresahana lava kanefa nahitam-bokany. Izay no namintinan'ny filoha amerikana Donald Trump izany...

13 febroary — Teraka tamin'ny taona 1260 tao Ornacieux (Isère) i Béatrice. Ny taona 1273 izy no niditra tao amin'ny fikambanan-drelijiozy nantsoina hoe "Chartreuse de Parménie". Taty aoriana dia nanorina trano fitokana-monina tao Eymeux izy.

Mivavaka ho anao ary ho ahy hatrany i Jesoa, porofon'izany ny voalaza ao amin'ny Lk 22, 31-32 : Hoy ny Tompo "Ry Simôna, ry Simôna, indro i Satana nitady hikororoka anareo tahaka ny vary, fa Izaho nangataka ho anao, mba sy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao. Ny mangataka eto dia midika hoe mivavaka... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...