♦ Olona folo vaovao indray no voaporofon'ny Institut Pasteur androany fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19. Tsy voahaja anefa amin'ny ankapobeny ireo toromarika tokony arahana amin'izao fihibohana izao... ♦ Anatin'ny Herinandro Masina isika amin'izao fotoana izao, hoy ny HFKF na ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina ho an'ny Firenena, izay nanao hetsika manokana nanomboka ny alahady 29 marsa hatramin'ny alahadin'ny Paka...

♦ Nanomboka omaly alahady ny Herinandro Masina ary mbola mikatona noho ny Coronavirus ireo trano fivavahana rehetra manerana an'i Madagasikara. Nahazo ampaham-potoana isaky ny amin'ny 5 ora hariva, nanomboka omaly alahadin'ny Sampankazo, ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM ny FFKM... ♦ Mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra an'i Rahelisoa Arphine ny biraon'ny Holafitry ny manao gazety...

♦ Hapetraka any amin'ny fokontany ny rafi-piaraha-monina vaovao atao hoe "Loharano" mba ahafahana manatsara hatrany ny ady atao amin'ny Coronavirus... ♦ Nihena roa ny isan'ny mararin'ny tsimok'aretina Coronavirus notsaboina tany amin'ny hôpitaly... ♦ Naiditra am-ponja vonjy maika eny Antanimora ny feran'ny herinandro teo ny talen'ny famoahana ao amin'ny gazety Valosoa, Arphine Rahelisoa...

Alatsinainy 06 aprily 2020 — Alatsinainy masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11 — Arahaba, ry Mpanjakanay ! Ianao irery no niantra anay tamin'ny hadisoanay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...