♦ Olona 18 vaovao indray no voatily omaly fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-18, araka ny tatitra androany... ♦ Mitohy hatrany ny fandraisan'ny eo anivon'ny CCO Covid-19 ireo fanampiana avy amin'ny malala-tanana... ♦ Namarana ny tatitra nataon'ny Governemanta teo anivon'ny Antenimieram-pirenena ny Praimisitra Ntsay Christian androany...

♦ Ahemotra ny 14 ôktôbra ny fankalazana manetriketrika tokony hatao ny 26 jona ho avy izao, hoy ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Mbola velon-taraina amin'ny tsy fahazoany fanampiana ao anatin'izao hamehana ara-pahasalamana izao ireo mpandraharaha sy mpampianatra ao amin'ny Fikambanan'ireo Talen-tsekoly tsy miankina eto Madagasikara... Ilaina ny fanapritahana ny fanaovana fitiliana any amin'ny faritra mba hahafahana mamoaka voka-pitiliana tena azo antoka, hoy ny Filoha lefitry ny CFM avy any Fianarantsoa...

Tsy afaka nanatanteraka ny fankalazana ny Alahadin’ny Vatana aman-dRà Masin’i Kristy tamina paroasy iray amin’ny diosezy iadidiny ao Rome i Papa François, omaly, fa nijanona tao amin’ny Bazilikan’i Masindahy Piera.

♦ Miverina amin'ny andavanandro avokoa ny asa rehetra manerana an'i Madagasikara ankoatra ny eto amin'ny faritra Analamanga sy ny ditrika efatra any Toamasina... ♦ Niampy 20 ireo olona voatily ho tratran'ny Coronavirus ary dimy ireo marary sitrana araka ny tatitry ny CCO... ♦ Ankizy simba molotra sy vaky lanilany 500 no tokony hahazo fandidiana avy amin'ny Opération Smile saingy mbola miandry ny fivoaran'ny Coronavirus ny fotoam-pandidiana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...