♦ Nanomboka tamin'ny 6 ora sy 30minitra hariva teo no  namoaka ny fironan'ny voka-pifidianana loholona, natao androany ny Ceni... ♦ Clémence Raharinina, mpanolontsain'ny tanàn'Antananarivo : tsy afa-po tamin'ny didim-pitsarana ka milaza ny hampiakatra ny raharaha... ♦ Diplômasia amerikana : mametraka fahamailona noho ny fisian'ny mpianatra roa, avy any chine, voamarina fa mpitsikilo, mianatra any Etazonia...

Papa Bio na antsoina hoe Ranaivoarisoa Basile, mpikaroka sy mpisehatra amin'ny fambolena biôlojika. Tantsaha mpisehatra amin'ny tontolo ambanivohitra tsy nitsaha-nikaroka mba hampalavorary ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra amin'ny alalan'ny famokarana biôlôjika, miainga avy amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

Zoma 11 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 16-19 — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

♦ IPS : (International Primatology Society) Fikambanana iraisam-pirenena ivondronan'ireo mpikaroka momba ny rajako sy ny varika, manerantany, efa nisy telopolo taona izao... ♦ Fanaloka : biby antsoina koa hoe ridarida na ambolaolo, mirefy 455mm hatramin'ny 495mm ny vatrany ary 140-220mm ny rambony, milanja 1,6 hatramin'ny 2.1kg izy... ♦ Ny rivo-doza : Rivomahery miforona noho ny tsindrin'ny atimôsifera sy ny hafanan'ny ranomasina, mety mitondra tafiotra sy oram-baratra...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...