Alakamisy 14 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45

Miverina tsy mihoatra ny dimampolo manomboka amin'ny herinandro ambony ny famoriam-bahoaka amin'ny toerana iray eto Antananarivo, hatrany am-piangonana, hisorohana ny fiparitahan'ny Covid-19.

♦ Mponina manodidina ny 800 no ahiana tsy hanankialofana sy hanana tany hambolena intsony any amin'ny fokontany Ambararatabe... ♦ Hiova endrika ny fanatanterahana ireo fombafomba fanao mandritra ny fanosorana ny lavenona, hanokafana ny vanim-potoanan'ny karemy... ♦ Mitsipaka ny hampiharana ny andininy faha-25 amin'ny lalam-panorenana amerika, ny filoha lefitra Mike Pence... 

♦ Olona efajato avy any atsimon'ny nosy no tonga tao Fianarantsoa, hila ravin'ahitra an-tany hafa, noho ny kere mihatra any amin'ny faritra misy azy... ♦ Nahemotra ho amin'ny 1 febroary 2021 ny fitsarana ilay raharaha volamena 73,5kg, tratra tany Afrika Atsimo... ♦ Olona iray alina miasa eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany, no hisitraka ny tetik'asa "Miatrika Covid", mandritra ny 12 volana...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...