♦ Voahosihosy ny didy navoakan'ny fahefana faratampony amin'ny fifidianana, manoloana ny fampiatoana ny fanatanterahana ny didy navoakan'ny Filankevi-panjakana ny 30 marsa lasa teo, hoy ny KMF/CNOE Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Mihoatra ny 500 ireo lavo tsy nahatohitra ny Coronavirus, teto Madagasikara.Mitombo isa hatrany ihany koa ireo marary manaraka fitsaboana...

♦ Manainga ny Malagasy hanamafy ny fitandremana manoloana ny fihanaky ny valan'aretina covid ny ministry ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-79 taonany omaly ny Ministry ny filaminam-bahoaka teo aloha Amady Augustin... ♦ Amperin'asa manara-maso akaiky ifehezana ny fiparitahan'ny valan'aretina FVR amin'ireo faritra miisa 03, ahitàna izany ny teknisiana eo anivon'ny Ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono... 

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady, ary vahoaka be no nanaraka Azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary. Dia niakatra any an-tendrombohitra i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany. Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody. Nony nanopy ny masony i Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo: "Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?" Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany. Dia hoy i Filipo taminy: "Na dia mofona denie roanjato aza, tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory." Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe: "Misy zazalahy anankiray manana mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao?" Dia hoy i Jesoa: "Asaovy mipetraka ny olona." Ary nisy ahitra be teo, ka nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo ny isan’ny lehilahy. Dia nandray ny mofo i Jesoa, ka nony efa nisaotra dia nizara azy tamin’izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaraniny fo. Rahefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: "Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very." Dia nangoniny ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo ny sombintsombin’ny mofo dimy sisa tsy lanin’izay nihinana. Nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe: "Itý tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao." Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: "Izay avy any ambony no ambonin’ny olona rehetra; fa izay avy amin’ny tany dia tany, ka ny etý an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra; ary izay efa hitany sy reny no ambarany, nefa tsy misy mandray ny fanambaràny. Izay nandray ny fanambaràny dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy. Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra. Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra."

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...