♦ Nahatsiaro ny faha-73 taonan'ny tolom-panafahana 29 marsa 1947 ny Malagasy omaly. Lanonana tsotra nefa nanan-danja no nanamarihan'ny fitondram-panjakna izany teny amin'ny fasan'ny Mahery fo teny Avaratr'Ambohitsaina... ♦ Haingana ny fitomboan'ny isan'ireo voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ny faran'ny herinandro teo. 43 hatramin'ny olmaly antoandro ireo olona mitondra ny tsimok'aretina...
Alatsinainy 30 marsa 2020 — Herinadro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 1-11 — Manantena ny Tompo ny fnahaiko, miandry ny teniny aho ; satria hatsaram-po no ao amin'ny Tompo, ary fanavotana lehibe.
Alahady 29 marsa 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 1-45 — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo, ka tsy ho faty mandrakizay izy mino Ahy.
♦ Mbola tsy voahaja ihany nanomboka ny maraina teo ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana ny tokony tsy hivoahana ny trano. Mbola maro ireo mivezivezy eny an-dalambe... ♦ Misy mitaraina mafy ireo lehiben'ny fokontany fa mitangorona manoloana ny biraom-pokontany ireo zokiolona sy mpanasa lamba mitaky ny anjara volany araka ny fampanantenan'ny Filoham-pirenena...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco