♦ Ny tranga vaovaon'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus, 75 amin'ireo 76 voamarina omaly dia avy eto Antananarivo avokoa. 28 no sitrana soa aman-tsara. Nihena enina kosa ireo marary mafy... ♦ Andriamatoa Benaivo Andrianaly Narcisse no voafidin'ny Solombavambahoaka hisolo tena azy ireo eo anivon'ny CENI...

Alarobia 01 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 28-34 — Andriamanitra nampihavana an'izao tontolo izao aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.

♦ Miisa 2214 ireo olona voatily fa efa mitondra ary mbola mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Tontosa androany ny fifidianan'ny Solombavambahoaka izay ho solontenan'izy ireo ao amin'ny CENI... ♦ Amperin'asa ny Ivon-toerana Fanaraha-maso ny Jono na ny CSP ho an'ny Faritra Diana...

♦ Kaominina Ambanivohitra 20 ato anatin'ny faritra Analamanga omaly no notolorana drafi-panjariana kaominaly mifanaraka amin'ny fahafahana miatrika ny vokatry ny fiovan'ny toetry ny andro... ♦ Mbola andrasana ny fanadihadiana lalina mikasika ilay raharaha fividianana vatomamy 8 miliara Ariary... ♦ Ho afaka hanao fitiliana ny tsimok'aretina Coronavirus tsy ho ela ireo faritra manana fitaovana hahafahana manatanteraka izany any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy...

[Miara-dàlana] Zoma 29 nôvambra 2024

  • Miomana amin'ny fandraisana ny Eveka vaovao, Mgr Marcellin Randriamamonjy, ny Diôsezin'i Farafangana...
  • Nanatanteraka fihaonambe fanao isan-taona nandritra ny hateloana, ny Vaomiera misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe...
  • Torio an-kafaliana ny Evanjely, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony nandritra ny Audience générale, ny alarobia 27 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...