Ankehitriny, tonga ny fotoana hanaovan'ny tanora ny "eniny" amin'ny fanorenany ny ho aviny, hoy ny Papa : "tanora toa anareo i Masina Maria tamin'izy nanao "eny" ny amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Midika fandraisana andraikitra izany, midika fahavononana hisedra zava-tsarotra. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Alakamisy 4 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10
♦ Melohin'ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara sy ny fikambanan'ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana ary ny fikambanan'ny mpanao gazety mpaka sary, ny herisetra manohintohina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, tamin'ireo mpanao gazety nanao ny asany tao amin'ny ala arovan'i Kirindy, Menabe Atimena... ♦ Takian'ny vondron'ny firaisamonim-pirenena ny handaniana ilay volavolan-dalana momba ny fahazoa-mamantatra ny raharaham-panjakana eto amintsika...
♦ Firenena voalohany manondrana akanjo any Erôpa isika. Ny 20%-ny vola avy any ivelany miditra eto amintsika dia avy amin'izany fanondranana izany... ♦ Novorian'ny governoran'ny faritra Menabe, omaly ny raiaman-dreny sy ny filoham-piangonana ary ireo lehiben'ny sampan-draharaha any amin'io faritra io ho fiomanana amin'ny mety hiverenan'ny covid-19... ♦ Mitsingerina rahampitso 4 novambra ny andro nahaterahan'ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, hetsika maro no tanterahin'ny fianankaviana ho fatsiarovana azy...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco