♦ Nanamafy ny fisian'ny fandosiran'ireo voafonja tao amin'ny fonjan'i Maindrivazo ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Atao mirazotra manomboka izao, ny tetik'asa hampandrosoana ny any atsimon'ny nosy... ♦ Fako 30 taonina isan'andro kosa no ariana eto Antananarivo sy ny manodidina...

Loza mananontanona efatra lehibe ihany no tsongaina androany ; raha tsy mifankahery sy mifanohana isika rehetra dia mitondra mankany amin'ny aretina sy mety ho fahafatesana daholo : ny fahalotoan'ny rivotra iainana, ny valanaretina covid-19, ny tsy fahampian-drano saika manerana ny faritra maro eto Madagasikara, ary ny fahaefatra dia ny fahantrana lalina.

♦ Nitokona androany, ireo mpiasa ao amin'ny valanjava-boaharin'i Tsimbazaza, manoloana ny feo miely fa homena hotantanin'ny tsy miankina io toerana io. Tsy naharesy lahatra azy ireo ny fanamabaran'ny Minisitera mpiahy... ♦ Hanaovana antso avo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny hain-tany sy ny kere any amin'ny tapany atsimon'ny nosy... ♦ Very 10 tapitrisa Ariary ny kitapom-bolan'ny kaominina Ampanotokana Ambohidratrimo, noho ny fikatonan'ny tsenan'omby tato anatin'ny telo herinandro...

♦ Tsy marina ny filazàna fa nafindra amin'ny vahiny na amin'ny fondation Axian ny fitantanana ny valan-java-boahary eny Tsimbazaza hoy ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa... ♦ Hatao lavanty ary ampanarahana ny fenitra ireo kaontenera misy sakafo tsy azo hohanina intsony sy praovandy, miisa 103 ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, isan'ny  tapaka tamin'ny filankevitry ny ministra omaly izany... ♦ Manentana ny zatovo sy ny tanora hiaro ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny baolina kitra ny Orange Madagascar. Naompana amin'izay tanjona izay indray ny fifaninanana Orange kitra 2021, lalaovin'ny olona 7 ho an'ny zatovo 12 sy 13 taona...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...