♦ Olona 9 no namoy ny ainy, vokatry ny fiavian'orambe teto antananarivo, alina tontolo, araka ny tatitra vonjimaika avy amin'ny Sampana mpamonjy voina ao an-drenivohitra. Dibo-drano ny faritra iva ny maraina teo... ♦ Mizarazara be ny hevitr'ireo mpanao politika momba ny fanatanterahana ny tetik'asa "téléferique". Tsy ny fisian'ny foto-drafitr'asa aorina toy ireny, no paik'ady mampandroso ny firenena hoy ny SFDM... ♦ Efa voafehy ny zava-misy momba ilay fikasàn'ireo gadra 7 nikasa ny hitsoaka ny fonjan'i Morondava. Tsy nisy ny namoy ny ainy, araka ny vaovao niparitaka, hoy ny tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja...

♦ Olona roa hatramin'izao no fantatra fa atidoha ambadiky ny fanondranana an-tsokosoko ireo volamena eto Madagasikara hoy ny Ministry ny fitsaràna omaly... ♦ Mbola nisy tamin'ireo sekolim-panjakàna ao an-drenivohitra no mbola tsy nanomboka ny fampianarana omaly...  ♦ Tsy misy fiantraikany tsara eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ny fanokafana ny sisin-tany teto Madagasikara hatramin'izao, hoy ny mpahay toe-karena Danny Rakotoson. Tsy manana paik'ady hanarenana io sehatra io hoy izy, ny fitondrana...

Ny fanekena ataon'ny relijiozy dia fitadiavana sy fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra. Ny voady izay hery manampy ny relijiozy tsy ho voafatotry ny fitiavana sy ny fiahian'izao tontolo izao dia hery lehibe hahafahany manao tsara ny iraka. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Talata 18 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...