Mba hahatsara ny tontolon'ny fahasalamana amin'ny ankapobeny dia ilaina ny fanaovana fandinihantena amin'ny alalan'ny fananganana fafana fampitahana. Atao hita taratra ao anaty fafana ny tsara tokony ho tohizana, ny lesoka tokony harenina, ireo mampiahiahy (tsara/ratsy). Betsaka loatra ny pozina manimba ny fahasalam-bahoaka isan'izany ireo milaza ho mpitsabo anefa tsy nianatra mikasika ny fitsaboana sy ny fahasalamana, maro ihany koa ireo mivarotra fanafody na fitaovana entina hitsaboana anefa tsy nahazo alalana...

♦ Nanjavona teo am-pelan-tanan'ny mpitandro ny filaminana ny rongony 8 gony rehefa avy nalain'izy ireo tao amin'ny tokantrano iray ao Tanambao any Morondava. Nisy ireo nijoro vavolombelona tamin'ity tranga ity... ♦ Ahiana hikatso ny famatsiana entana samihafa satria mandrahona hitokona ireo mpitondra camion raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitry ny mpitondra amin'ny lalam-pirenena faharoa, mialoha ny alahady izao... ♦ Manodidina ny 200.000Ha isan-taona ireo ala simba eto Madagasikara, hoy ny fikambanana Graine de vie... ♦ Any ivelany : Tafakatra 5.000.000 ireo zaza latsaky ny 5 taona maty tamin'ny taona 2021...

Ny antony mahatonga ny olona tsy hiroso amin'ny mariazy fa raha izay voafaritry ny Sakramenta dia ny olona rehetra miroso amin'ny fanambadiana ho an'ny mpino katôlika dia tokony handray ny sakramentan'ny mariazy avokoa, vao miray trano. Ny antony : misy avy amin'ireo mpivady mivantana, misy koa ireo avy amin'ny finoana, misy koa anefa tsy faharesen-dahatra tsotra izao. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

♦ Nigadona androany tany amin'ny Diôsezin'Ambanja, i Mgr Donatien Francis Randriamalala, izay notendren'ny Papa François ho Eveka any amin'ity Diôsezy ity... ♦ Nanjavona teo am-pelantanan'ny mpitandro ny filaminana ny rongony valo gony, rehefa avy nalain'izy ireo tao amin'ny tokantrano iray, tao Tanambao any Morondava. Nisy ireo nijoro ho vavolombelona tamin'ity tranga ity... ♦ Ahiana hikatso ny famatsiana entana samihafa, satria hiroso amin'ny fitokonana ireo mpitondra camion, raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitry ny mpitondra amin'ny lalam-pirenena faharoa, mialoha ny alahady izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...