♦ Miantso ireo rehetra manam-baovao momba ny raharaha Tricha sy Raissa ny Brigade Criminelle mba hanome vaovao azy ireo, anio alarobia 14 mey no hiakatra fampanohavana eny amin'ny Fitsaràna Anosy ny raharaha Raissa...♦ Vita sonia omaly teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny fanatanterahana ny tetik'asa SAHOFIKA. Ivon-toerana lehibe hamokatra herinaratra 192 MW ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo... ♦ Nomelohin'ny Fitsaràna tao Paris, sazy miantona 18 volana ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika malaza Frantsay Gérard Depardieu, noho ny resaka herisetra ara-nofo...

14 mey — I Matthias dia ilay mpianatra nofidiana hasolo an'i Jodasy, ho isan'ny apôstôly, ny Asan'ny Apôstôly 1, 15-26 no mitantara ny fomba nifidianana azy io, taorian'ny niakaran'i Jesoa tany an-danitra.

14 mey 2025 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

♦ Notemorin'ny mpitandro filaminana maro dia maro androany ny teo anoloan'ny lapan'ny tanàna Analakely. Olona 40 teo ho eo anefa no nametraka fehezam-boninkazo teny an-toerana nahatsiarovana ireo maty vokatry ny tolom-bahoaka ny 13 mey 1972... ♦ Velaran-tany aman'arivony Hektara no bodoan'olom-bitsy ao amin'ny faritra afovoany misy ny faritr'alan'ny Orinasam-panjakàna Fanalamanga... ♦ Mametraka ho zava-dehibe ny fitazomana ny fifandraisana amin'ny vahoaka sy ireo tompon'andraikitra eny ifotony hametrahana fandriam-pahalemana maharitra ny Polisim-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...