• Miantso ny hisian'ny diniky ny hery velona rehetra ny vondrona telo tonta PAM, hitadiavana vahaolana ho an'ny firenena... • Nambaran'ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray fa hiteraka fiantraikany goavana amin'ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara, raha sanatria ho tapaka ny AGOA. Asa miisa 70.000, no mety ho very vokatr'izany... • Miatrika ireo krizy telo lehibe maneran-tany isika eto Madagasikara: toy ny fiovan'ny toetrandro, ny fandotoana ary ny fahapotehana haingan'ireo zava-boahary...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Manafaingana ny asa fanarenana ny ala hoko simba ao amin’ny faritr’i Sofia ny orinasa Bôndy amin’izao fotoana izao. Mafy ny tsindry nahazo ny ala honko isan’izany ny tao Ambilanibe, kaominina Ankerika. Mirefy 48 hektara ny ala honko simba hatramin’ny 80 isanjato, tapahan’ny olona nanaovana arina fandrehitra. 150 gony isan’andro mantsy ny harina fandrehitra vita amin’ny honko mamatsy an’Antsohihy. Mba hanonerana izany, manana toeram-pambolen-kazo hoko ao Malako fokontany Ambolobozo, kaominina Ambodirano ao amin’ny distrikan’Antsohihy ny orinasa...
♦ Manao ny ady sisika mba hanohizana ny tsenambarotra AGOA i Madagasikara. Nisy ankoatra izay ny famolavolana ny paik'ady nasionaly ho fanatsarana fanondranana miainga eto Madagasikara... ♦ Tsara raha nitaha tamin'ny taona maro lasa ny voka-panadinana ho an'ny teny anivon'ny AKAMA 67Ha. Efa misokatra ho an'ny mpianatra rehetra ity sekoly ity ankehitriny... ♦ Nodoran'ny Fokonolona ny fatin'ilay lehilahy iray voalaza fa nanao sorona zazalahikely 7 taona tany Andilamena... ♦ Hanatanteraka fivoriana lehibe hamaritana ny ho tohin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ao Népal, anio zoma, ireo tompon'andraikitra any an-toerana...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco