Tsy esorin'Andriamanitra amintsika olombelona ny fepetra maha zanany antsika, ary indrindra miandry mandrakariva ny fiverenan'ny zanany mania Izy. Noho ny maha zanak'Andriamanitra antsika dia maro ireo fahagagana sady lehibe eo amin'ny fiainantsika. Andriamanitra no nanosotra antsika olombelona ho zanany, tsy mahafoy zanany izy fa ny zanaka no mahafoy ray aman-dreny... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.

27 septambra 2024 — Masindahy Vincent de Paul, Pretra, Mpiaro faharoa an'i Madagasikara — Fankalazana — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)

♦ Entina amin'izao vaovao izao ny akon'ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana Ben'ny Tanàna, ho an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Ny 89,32%-n'ny kaominina no manana kandidà, hoy ny tatitry ny CENI. Ny kandidà nirotsaka amin'ny tsy miankina no maro an'isa: miisa 1.542 izy ireo... ♦ Tra-tehaka ihany rehefa notadiavina tao anatin'ny telo taona, ny tompony sy kaomandan'ny sambo M/S Francia III, izay nahafaty mpandeha 88...

♦ Nanatitra ny antontan-taratasy amin'ny firotsahan-kofidiana teny amin'ny OVEC Isotry androany Andriamatoa Tahina Razafinjoelina, mitarika ny lisitra Tia Tanindrazana amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Hisitraka tohana amin'ny lafiny fahasalamana sy ny fampianarana ary tohana amin'ny fitsinjovana ny voina ateraky ny loza voajanahary ireo EPP anatin'ny boriborin-tany miisa telo ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany ny Vovonam-pikambanana Fampivoarana ny Tantsaha na ny FIFATA. Maherin'ny 3.000 isa ireo tantsaha mivondrona ao aminy mihaona sy mifanakalo traik'efa ao Antsirabe...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...