Alahady 14 septambra 2025 : Fankalazana ny nanandratana ny hazofijaliana ; Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao. Miandry ny fibebahan'ny olombelona, marina ihany koa Andriamanitra, na inona na inona kilemantsika sy ny fahotana vitantsika. Mitsinjo sy miandry antsika amim-paharetana Andriamanitra, ary noho ny hamoram-pony sy ny fitiavany dia tsy afaka ny tsy handray antsika Izy. Sarobidy eo imason'Andriamanitra ny olona tsirairay, misokatra foana ny lalana miverina ao aminy handray antsika...
♦ Tsy ara-dalàna ny firosoana amin'ny fifidianana Loholona vokatry ny tsy fahafenoan'ireo mpifidy vaventy hoy ny mpahay lalàna Clément Jaona... ♦ Tsy any Mahajanga irery fa manerana ny nosy no miakatra ny tahan'ny olona marary sy mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA hoy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Hamafisina ny fitsirihana tampoka atao amin'ireo fiara eny an-dalambe, ary hisy ny fampiasàna fitaovana manara-penitra hanaovana izany hoy ny Jeneraly Beribaky Jeannot, tale jeneralin'ny DGSR... ♦ Voatendry ho lehiben'ny governemantan'ny tetezamita ao Népal ny lehiben'ny fitsarana tampony teo aloha Sushila Karki, vehivavy voalohany hitana izany...
♦ Miantso ny hanangànana Governemanta hanarenana ny firenena ny Vondrona Pôlitika PAM, izy ireo mijoro ho mpanelanelana hisian'ny fifampiresahana eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra... ♦ Manamarina ny fisian'ny trangan'aretina kitrotro amina Distrika vitsivitsy eto amin'ny nosy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Profesora Zely Arivelo Andriamanantany... ♦ Ady amin'ny fahalotoana rivotra, rano ary tany, nisitraka fitaovana fanaraha-maso sy fandrefesana ny merkiora ireo pôlisin'ny tontolo iainana... ♦ Nahemotra ho amin'ny 19 septambra ny famoahan'ny Fitsarana ara-miaramila ao RDC ho an'ny filoha telo aloha Joseph Kabila...
Nahoana no ela vao tonga tany amin'ny tany nampanantenaina ny zanak'Israely : satria vahoaka maro an-tapitrisany ireo ahitana ankizy, tanora, be antitra, bevohoka ka ireny isany nampiisatra ny dia, mila fandaminana matotra ; sady vahoaka samy manana ny heviny sy ny toetrany, maro ireo vahoaka nimenomenona, ary saika nanadino ny fisian'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco