• Nametraka fitoriana fampiatoana sy fanafoanana ny tsy fanomezan-dalana avy amin'ny OMC Antananarivo, ireo Mpanolotsain'ny Tanana avy ao amin'ny fanoherana... • Nilaza ny handray fepetra hentitra ho an'ireo minia mandika lalana ny EMMONAT, rahampitso... • Mitohy ny ezaka amin'ny fiarovana ny ankizy, izay ataon'ny PFSCE...
♦ Tondron'ireo ololm-pirenena ho tompon'antoka voalohany amin'ny olan'ny fahatapahan-jiro sy rano lavareny ny fitondram-panjakàna... ♦ Homamiadana ho an'ny mpitondra sy ny toe-karem-pirenena ny olan'ny famatsiana herinaratra ary tokony hesorina amin'ny toerana ireo mpitantana tsy mahavita ny asany hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Tra-tehaky ny pôlisy tao Moramanga ny 3 lahy niaraka tamina taolam-paty milanja 52kg, taolam-paty izay fantatra fa amidy 5 tapitrisa ariary ny iray kilao... ♦ Manangasanga any indray ny hisian'ny fitokonana faobe ao Frantsa manoloana ny resaka teti-bolam-panjakàna any an-toreana...
Ny volana septambra dia fotoana fanomanana ny toe-tsain'ny mpianatra hiatrehan'izy ireo ny taom-pianarana, izay haharitra 10 volana. Ny fivoaram-piainana dia miankina amin'ny tsirairay handray azy. Ny fivoaram-piainana ho an'ny mpianatra : fifindrana kilasy, afaka fanadinana. Ny fanabeazana dia teny entina mandrisika ny sain'ny olona iray hampivoatra azy ; ny fampianarana dia ilay andraikitry ny sekoly mampita fahalalana hatonga ny mpianatra hahazo fivoarana (taranja)... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Tsy nahazo alalana avy amin'ny OMC ny fanatanterahana ilay hetsika "Leo delestazy sy tsy fisian'ny rano" kasain'ny mpanolontsainan'ny tanàna atao eny Ambohijatovo rahampitso alakamisy faha-25 septambra 2025... ♦ Hampiantso filan-kevi-pirenena ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra nasiônaly "SECES" nasiônaly, izay tanterahana anio alarobia 24 septambra eny Ankatso... ♦ Lasa sehatra ho an'ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra eto Madagasikara ny tambazotran-tserasera, tsy tokony ho avy amin'ny mpitondra araka izany no hiavian'ny fanafitohinana ho an'ny vahoaka hoy ny avy eo anivon'ny Antenimieram-pirenena...
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco