Ny fampihantana dia ireo endrika fitondrana ny zanaka ; tsy ny zaza anefa no mihanta fa ny fihetsika ataon'ny ray aman-dreny no tonga amin'izay endrim-pifandraisana izay. Ny fototry ny fampihantana dia fanomezana avy hatrany izay zavatra takian'ny zanaka. Ny fampihantana zanaka dia miteraka tsy fahatokisan-tena, tsy fahaizan'ny zanaka hisendra olana any aoriana any, ditra... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Manoloana ny halehibeazan'Andriamanitra sy ny fitondran-tena mendrika takian'ny fivavahana marina dia samy mandon-tratra ny mpivavaka rehetra, ary lazain'ny Papa fa ny mampihetsi-po indrindra amin'izany fahatsapana ny tsy fahamendrehana sy ny fahantran'ny vavaka ataontsika dia izay nipololòtra avy amin'ny vava... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa OSsT.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco