♦ Tsy sakana amin'ny fametrahana ny tanàna vaovao any Imeritsitosika ny ben'ny tanàna any an-toerana. Misy anefa ny soson-kevitra narosony mba isorohana ny fandrodanana tranosy fasàna ary ny fanotorana tanimbary... ♦ Nahazo fahafahana vonjimaika ary miandry ny fotoam-pitsarana azy ny 23 febroary izao ilay manamboninahitra misotro ronono sady ministra teo aloha, voasaringotra tamin'ilay lozam-pifamoivoizana teny Ankorondrano...

♦ Niverina an-tsekoly nanomboka androany ao anatin'ny telo volana faharoa ny amin'ny taom-pianarana 2020-2021 ny ankamaroan'ny sekoly. Ny telo volana faharoa izay herin'ny herin'ny taom-pianarana... ♦ Andro ratsy miisa roa no mihaodihaody any amin'ny faritra atsinanan'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Efa nahafeno ny fepetra amin'ny maha-rivodoza azy ny iray ka nomena ny anarana hoe Danilo. Tsy hisy fiantraikany amin'ny toetry ny andro eto amintsika anefa ireo andro ratsy ireo...

Raha hanontany anao aho izao hoe : oviana i Jesoa no teraka ? 25 Desambra hoy ianao. Tsy tena fantatra anefa hoe andro inona no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Ny ao amin’ny baiboly koa tsy nisy nilaza izany.

Ny dingana ho amin'ny fanatrarana ny tanjona eo amin'ny fiainana dia miainga amin'ny paikady toy ny fananana toetra tsy manjehy ny andro ho lava, ny famaritana tsara sy mazava izay hatao, hiainana ilay teny hoe : Aza mihetsika aloha fa mialohan'ny hiaingàna dia fantaro hoe ho aiza ianao...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...