Ny vavaka dia avy amin'ny fo, fototra sy itoeran'ny maha-izy azy ny olona, hoy ny Papa. Ny maha izy azy ny tena manontolo no miatrika an'Andriamanitra rehefa mivavaka ny olona iray. Ny mivavaka dia mampitodika ny fo amin'Andriamanitra, rehefa mivavaka ny olona dia mifandray mivantana amin'Andriamanitra izy. Manana ny anjara toerany ny fontsika eo anatrehan'Andriamanitra, ny fo no mivavaka amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Fomba sy lovam-panahy ho an'ny kristiana ny vavaka satria maka tahaka an'i Jesoa kristy ny tena kristiana, jesoa nivavaka ; ny Apôstôly àry dia nangataka mba hampianarina hivavaka. Ny vavaka rehetra ataon'ny Kristiana, na iombonana na samirery, dia mandalo ao amin'i Jesoa avokoa. Ny vavaka dia firesahana mivantana amin'Andriamanitra, eo no angatahina ny fitarihan'ny Fanahy Masina, izay manohana antsika. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Toy ny antso miainga avy ao am-pon'nizay mino ny vavaka, miampita any amin'Andriamanitra, ao anatin'ny fitokisana tanteraka. Ny olona manam-pinoana no mivavaka, ary ny vavaka no mampisokatra ny mino any amin'Andriamanitra, hizarana ny manjo sy hanantenana izay angatahina. Raha mivavaka isika dia miresaka amin'Andriamanitra, ilaina ny fahatoniana, izany hoe miala amin'ny tabataba mba ho afaka hifantoka. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Ny finoana dia fahasahiana miantso an'Andriamanitra, ary ny tsy fahampian'ny finoana dia ny faharerahana miantso. Ny olona tsy manam-pinoana no miaritra ny olana amim-pahanginana, anatin'ny vavaka no vahaolana. Ny olona manam-pinoana dia olona manam-paharetana tahaka an'i Bartime. Ny voary rehetra dia mangetaheta an'Andriamanitra daholo, ary samy miantso sy mitady ny vonjy avy Aminy avokoa. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco