Ny finoana no fototra ary ny fanomezam-pahasoavana dia azo lazaina ho vokany na fomba fisehony ihany koa. Tsy mahasolo ny finoana ny fanomezam-pahasoavana fa manambara azy sady miasa ho an'io finoana io. Ny fiainam-pinoana voalanjalanja tsara iainan'ny Eglizy dia manampy hahafantatra ny tena fanomezam-pahasoavana marina... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Tokony hihaino ny feon'ny Vahoakan'Andriamanitra ny mpiandry azy : indrindra momba izy iainany, ny fiainam-pinoany amin'ny andavanandro, ny zavatra tsapany ara-panahy. Harena ho an'ny Eglizy izany satria miteny amin'ny alalan'izy ireny ihany koa ny Fanahy Masina. Voaantso hiaina ny fiombonana anatin'ny finoana lalina ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ny fitambaramben'ny mpino, izay voahosotr'ilay Masina dia tsy mety ho diso ; ary izany satany manokana izany dia asehony amin'ny alalan'ny fahiratan'ny finoana eo amin'ny vahoaka manontolo, rehefa aharihariny ny firaisana saina iombonambe mikasika ny finoana sy ny fitsipi-pitondran-tena. Tsy resaka demôkrasia no miantoka ny fahamarinan'ny finoana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ny vita batemy rehetra noho ny asan'ny Fanahy Masina ao aminy dia mandray ny finoana aloha ; ny vahoakan'Andriamanitra dia mandray anjara amin'ny adidy maha-mpaminany an'i Kristy, indrindra amin'ny fiainany feno finoana sy fitiavana, ary noho izy manolotra an'Andriamanitra sorom-piderana, vokatry ny molotra izay mankalaza ny anarany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco