Ny vavaka dia fofon'ain'ny finoana. Ny olona mino sy matahotra an'Andriamanitra no miantsoantso mamoaka feo avy ao am-pony toa miantso vonjy. Amin'izao taonan'ny vavaka izao dia mifototra amin'ny mistery ny vavaka na ny zava-miafina fonosin'ny vavaka no resahin'ny Papa François amin'ny katesizy. Ny vavaka no mamelona ny finoantsika, koa aoka samy hiezana hanatsara ny fomba fivavahana. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Ny vavaka nataon'i Jesoa dia mariky ny fifandraisana sy ny fifankahazoana lalina tao aminy sy Andriamanitra Ray ; noho izany , izay tia vavaka tsy tapaka dia miombona tanteraka amin'i Jesoa sy amin'Andriamanitra Rainy. Miafina ao natin'ny misterin'ny fahariana ho antsika olombelona manokana, ny vidin'ny fahoriana amam-pijaliana ; ny fangalana ny taolan-tehezan'i Adama hanamboarana an'i Eva dia nisy ratra miafina. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Manambara ny misterin'ny fahariana vaovao ny vavak'i Jesoa satria ao Izy no miezaka manavao ny zavatra rehetra sy hamerina amin'ny laoniny ny fahariana taloha izay niantsoana ny olombelona ho amin'ny fifampizarana sy fahasambarana. Tsarovy fa na ho aiza isika na ho aiza dia tsy misy famonjena raha tsy misy fijaliana. Mila mifampitondra am-bavaka isika satria Jesoa aza Andriamanitra nivavaka mba hatontosa ny famonjena, maika fa isika? Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Tohin'ny asa fahariana ny Vavak'i Jesoa satria mamerina ny hasin'ny olombelona ho amin'ny fahamasinana izay niantsoany azy hatrany am-piandohana. Mijanona eto an-tany ny fiainana maha olombelona fa ny hitovizana amin'Andriamanitra no entina any an-danitra. Izay tsy mahalala an'Andriamanitra marina sy Jesoa Kristy ilay nirahiny dia tsy ho tonga zava-boahary vaovao mihitsy izy. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...