Mampita ny fampihavanana sy ny fanamaivanana ny kristianina ny : ireo Kristianina manenina amin'ny fahotany ka mahatsapa fa marary azy izany ka manana faniriana hihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Sakramentan'ny fampihavanana noho ny fahefana tena feno omena azy ireo. Tsy irery velively ny Eveka fa eo mandrakariva ny pretra miombona aminy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Fandraharahana ao amin'ny Eglizy ny maha pretra ; fandraharahana najoron'Andriamanitra ka mahatontosa ny ambaratonga samihafa. Ambaratonga tsy mitovy amin'ny eveka ny pretra fa eo ambaniny nanankinana fahatokisana amin'ny lafiny maro : fampianarana, fanamasinana, fitantanana, fitsinjarana ny fanompoana. Ny Pretra dia Mpisorona... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Mpanampy mahatoky sady mahefa ny Eveka ny Pretra : toy ny zanaka izy ireo ary sakaiza eo anatrehan'ny eveka. Ny Pretra ao amin'ny Eglizy katôlika dia ireo nandray ny sakramentan'ny filaharana tamin'ny alalan'ny fametrahan-tanan'ny eveka izay manamasina azy. Ho an'ny Eglizy Latina dia tsy manambady ny pretra fa ho an'ny tatsinanana dia manamasina pretra manambady izy ireo... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Hoy i Masindahy Igniace tamin'ny taon-jato faharoa hoe : amin'ny toerana misy ny Eveka no misy ny Eglizy ; tsy afaka hiteny Eglizy mihitsy raha tsy misy Eveka ary tsy "Valide" ny maha Eglizy ny Eglizy raha tsy misy Eveka. Ny fanamasinana eveka iray dia tanterahina ao anatin'ny fankalazana iray mba hanome lanja ny fandraisany ny raharaha maha eveka azy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...