Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny. Ny Eglizy dia fiombonan'ny vahoakan'Andriamanitra, handraisana famonjena... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ao amin'ny Eglizy Katôlika, orthodoxe, anglikana ary ireo tatsinanana tsy katôlika dia misy Eveka avokoa ary izy ireny dia heverina ho toy ny dimbin'ireo Apôstôly 12 izay vato fototra nanorenan'i Kristy ny Eglizy. Taorian'ny Pantekôty dia nanomboka nitory ny Evanjely amin'izao tontolo izao izy ireny ary niombona teo ambany fitarihan'i Piera araka ny nanendren'i Kristy azy ho filohany... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny dia ny Papa. I Jesoa no nanorina ny Eglizy ary nametraka azy eo ambany fahefan'ny Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny Eveka Katôlika amin'izao fotoana izao dia eo ny Papa, eo ny "Collège épiscopal", ny dimbin'ireo "Colleège apostolique" Taorian'ny Pantekôty dia nanomboka nitory ny Evanjely amin'izao tontolo izao ieo niombona teo ambany fitarihan'i Piera araka ny nanendren'i Kristy azy ho filohany ka ireo no antsoina hoe Collège apostolique". Ireo zokiolona nantsoina hoe "Presbyters" dia nanampy ireo apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco