Ny fiombonana tadiavina dia tsy resaka natao hitadiavana izay marimaritra iraisana fa tena fiombonana anatin'ny tena fahamarinana. Ny Eglizy katôlika izay amafisin'ny Papa Benoît faha-XVI dia manana ny fitaovana feno ho amin'ny femonjena, izany anefa tsy misakana ny hanomezana lanja izay harena ao amin'ireo fiangonana kristianina hafa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Tsy amin'ny toerana voafaritra ihany no iasan'Andriamanitra, ary ny fiombonana dia miorina tsikelikely amin'ny fahalalana sy ny fiekena fa mandray ny fanomezan'Andriamanitra ihany koa ireo fiangonana hafa tsy katôlika. Mamohafoha faniriana sy ezaka ny Fanahy ao amin'ny mpianatr'i Kristy rehetra mba hanajan'izy rehetra ny fomba naraikitr'i Kristy hahatafaray azy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Ny Kristianina tsy katôlika dia tsy raisina ho toy ny mpankato na mpivoy fampianaran-diso izy ireny fa toy ny rahalahy tafasaraka. Maro amin'izy ireny ny manome toeram-boninahitra ny Soratra Masina ankatoaviny ho fitsipi-pinoana sy fitondran-tena. Maro ireo maneho zoto eo amin'ny fitiavam-bavaka ary mino am-pitiavana an'Andriamanitra Ray Mahefa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Misokatra amin'ny rehetra ny Eglizy, nefa kosa entitra. Natao ho an'ny rehetra ny famonjena fa ny maha eo ny Eglizy ho lalana sy famantaram-pamonjena ho an'ny mpino dia tsy azo ihodivirana fa tsy sanatria tsy laharam-pahamehana na tsy manan-danja. Mijoro ho vavolombelona maneho hatrany ny hatsaran'ny Eglizy, ny fahamasinany sy ny fitiavany ny Kristianina... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...