Amafisina amin'ny finoana noho ny Sakramentan'ny fankaherezana ny fifamatorana misy eo amin'ny Kristianina iray sy ny Eglizy, mameno azy amin'y hery manokana ny avy amin'ny Fanahy Masina. Ny Eokaristia dia sady loharano no tampon'ny fiainana maha-kristianina manontolo, andraisan'ny mpino anjara ka anolorany amin'Andriamanitra ilay "sorona" tsy manam-paharoa ary ny tenany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Ny Sakramenta no manamasina ny Eglizy vahoakan'Andriamanitra ; tsy tanjona akory ny maha-zanaky ny Eglizy fa ny Eglizy indrindra aza no famantarana hita maso ny zavatra tsy hita maso : ny asa sy ny fisian'Andriamanitra eo amini'zao tontolo izao. Fitaovana anamasinan'Andriamanitra ny vahoakany ny Sakramenta, tsy natokana ho an'olom-bitsy ny fanamasinam-piainana ao amin'ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Ny fihevitra diso novoizin'ny Refôrmasiôna ny hoe tamin'ny andron'ny jody tao amin'ny Testamenta Taloha, dia mpisorom-be sy ny levita no manolotra sorona sy mifona ho an'ny olona ary manao ny fanadiovana handraisan'ny olona famelan-keloka, FA ao amin'ny Eglizy nandalo fihavaozana dia ny kristianina dia mpisorona avokoa fa tsy ny mpitondra fivavahana ihany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Mihaino ny feon'Andriamanitra no maha-mpaminany ny vahoaka ; mila maka fotoana mihitsy mba hihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina anatin'ny vavaka, ny fandinihana ny Soratra Masina, ary amin'ireo zavatra mitranga eo amin'ny fiainana misy ankehitriny. Ny Batemy dia mahatonga antsika ho mpisorona, mpanjaka ary mpaminany toa an'i Kristy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...