Tsy ny toe-batana ihany no misy fiovàna lehibe eo amin'ireo tanora fa amin'ny fitiavana indrindra no hisehoany eo amin'ny filan'ny nofo. Eo amin'ny faha-14 taonany ny zazalahy no mahatsapa ny filàna fahafinaretana, indrindra manodidina ny taovam-pananahany, ; ny zazavavy kosa dia mandre izany amin'ny vatany manontolo ary mora miontana mihitsy amin'ny alalan'ny fifampikasohana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Tsy misy fakam-panahy miseho amin'ny endrika ratsy izany fa tsara sy manintona mandrakariva. Mila mandinika tsara ny tanora hiroso amin'ny fanambadiana, mety vokatry ny fakam-panahy mantsy izany fa tsy tena fitiavana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Ny fakam-panahy dia tena misy ary mambabo fa miankina amin'ny tsirairay ny mandresy azy. Ny endriky ny fakam-panahy dia mety ho olona manam-pahefana, manam-bola, manana bika aman'endrika mambabo fo. Raha te ho lasa lavitra dia mila miezaka mandresy ny fakam-panahy. Tsy entam-barotra akory ny vatan'olombelona fa tempolin'ny Fanahy Masina ary manana hasina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Tokony haka fotoana handinihana tsara ny tanora hifankatia, aza maika ny hamboraka fitia fa diniho tsara aloha fa mety hanodoka ny bika aman'endrika. Raha voahevitra tsara ny antony hifankatiavana dia maro ireo olana voasoroka eo amin'ny fiainan'ny olona roa mifankatia, maro ihany koa ireo olana tsy hipoitra akory. Ny fiainam-pitiavana dia tsy raharahan'olon-droa fotsiny fa raharaham-pianakaviana mifamatotra". Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco