I Kristy ilay Masina no manamasina ny Fiangonana, nanolon-tena ho azy satria noraisiny ho toy ny vadiny ny Fiangonana. Ny Fiangonana dia Vahoakan'Andriamanitra misy ny Eveka, Pretra sy ny Lahika ary ny relijiozy ary mifototra sy mivondrona ao amin'i Kristy. Ny fanarahana ny toro-hevitry ny Evanjely no hevitra fototra iraisan'ny Relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Ny Lahika dia tsy maintsy manaiky ho tantanina amin'ny fampianaram-pinoana mba tsy hivaona amin'ny lalana nosoritana ho azy, ny lalan'ny fahamasinana. Ny Eveka sy ny Pretra no mpampianatra ny Lahika voalohany. Fadiana ny manaraka na mivavaka amin'olona na mifototra amin'ny firehin-kevitra manokana... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Amin'ny  maha mpiandry ondry ny Eveka dia tsy maintsy mijoro ho fakan-tahaka sy be herim-po izy amin'ny fanahafana an'i Jesoa Kristy ka hazoto sy hanetritena hatrany amin'ny fanatontosana ny adidiny. Amin'ny fanatanterahany amin-kitsim-po sy am-pitiavana ny asany, miampy ny hanitry ny fitiavam-bavaka ao aminy no hanamasinan'ny Eveka ny tenany... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Miseho amin'ny endrika maro ny fahamasinana, niainga tamin'ny safidim-piainana manokana ny famaliana ny antso ho amin'ny fahamasinana, ny maro nijanona ho lahika, fa ny sasany niroso tamin'ny fanokanan-tena ho pretran na relijiozy.Ho fikatsahana ny fahamasinana dia miara-misalahy sy mifanome tanana hifanompo sy hifampitondra mankany amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...