Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 16 hatramin'ny 18 jona 2022 ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fizakan-tena ara-tsakafo. Resy lahatra ny fitondram-panjakana fa ny fambolena no fanoitra ho enti-miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy fitaovana ho enti-mampandroso ny firenena, ary afaka hampitombo ny harin-karena hoy ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fanokafana izany...
Ndao hankaherezina ny raim-pianakaviana amin'ny asa sy ny adidy miandry azy ireo. Ny "ray" dia singa fototra iray ao anatin'ny fianakaviana. Ny teny hoe "raim-pianakaviana" dia kambateny azo tamin'ny : "RAY" lehilahy manana vady aman-janaka, loharano niaviana, loham-pianakaviana ; "FIANAKAVIANA" taranaka avy amin'ny olona iray, olona manana ra iraisana, fiaviana iray. Ny ankohonana dia fiaraha-monin'ny ray, reny ary ny zanaka.
Ny 26 jona dia fety miavaka amin'ny Malagasy satria io no andro hanamarihana ny tsingerin-taona namerenana ny fahaleovan-tena. Ny lohahevitra : ” Ny fitiavako ny tanindrazako mamelona ny ambopom-pirenena”. Firariantsoa ho an'ny Malagasy 27 tapitrisa ny hoe : " ho fetim-pirenena hiainana ny "fahavanona" anie ity andro malaza ity ary ho fety sambatra ho antsika rehetra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ny tsy fahalalana na tsy fahavitan'ny fizaham-pahasalamana mialohan'ny fanambadiana dia isan'ny mety ho antony iray manakorontana ny tokantrano, miteraka olana maro. Ny tokony fantarina mialoha dia ny sokajin-dra (A, B, AB, O) sy ny "rhésus" (+ , -). Tokony fantarina ihany koa ireo aretina manaranaka mety efa nisy tao amin'ny fianakaviana. Ilaina fantarina ihany koa fahasalaman'ny maso sy ny diabeta ary ny tosi-drà... Tsara ny hitiliana ireo aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo.
Tanora efatra hetsy isan-taona no tonga eo amin'ny tsenan'ny asa, eto Madagasikara, araka ny tarehimarika misy. Tsy afaka mandray azy ireo anefa ny orinasa misy eto amintsika noho ny tontolo ara-toekarena. Ny sehatr'asa eny ambanivohitra no mamaha olana amin'izay tsy fahampian'ny asa atolotra izany. Mitaky fahaiza-mamokatra izany, tsy ho tratra raha tsy amin'ny alalan'ny fiofanana.
Mila ampahafantarina ny tanora ireo voka-dratsin'ny zava-mahadomelina : ara-batana, ara-tsaina, ara-piaraha-monina. Mila resen-dahatra sy entanina ny tanora tsy hiroso amin'izany. Tsy maintsy mandray an-tanana ny fitaizana sy ny fanaraha-maso ny zanany ny ray aman-dreny. Manana ny tandrifiny ihany koa ny haino aman-jery, ny sehatry ny fampianarana, ny fikambanana samihafa ary ny fiaraha-monina : mifampiresaka sy manentana ny tanora hanaja ny vatany satria tempolin'Andriamanitra ny tenany.
Ny diabeta dia fiakaran'ny fatran'ny siramamy ao amin'ny ra, izay mety hihaotra ny 1,27g/l. Nandritra sy tao anatin'ny vanim-potoana ny valan'aretina Covid19 teo dia niakatra ny fahafantarana ny isan'ny olona marary ny diabetra no ny fitomboan'ny fitaovana ahafahana mitily isam-batan'olona. Ny fitiliana HbA1c dia manome fampahalalana momba ny kalitaon'ny ra sy ny siramamy mandritra ny 4 ka hatramin'ny 8 herinandro mialoha ny fitiliana. Ny diabeta dia miteraka voka-dratsy maro : ny fahasimban'ny lalan-dra madinika sy ny lalan-dra vaventy, ny fiakaran'ny tosi-dra, ny AVC, olana eo amin'ny voa, fery tsy mety sitrana...
Nodinihana nandritry ny telo andro teto an-drenivohitra teny amin'ny CNEAGR Nanisana ny fanavaozana ny paik'adim-pirenena mahakasika ny masomboly, ny lalàna mifehy ny famokarana masomboly, ary ny famelomana indray ny Fikambanana Malagasy ho fampiroboroboana ny masomboly na ny AMPROSEM mba hananany aingavao...
Ny fahaizana manaja ny zokiolona, na fahaiza-miaina amin'ny ankapobeny dia miainga eo anivon'ny ankohonana. Matoa ny firenena vanona, dia olom-banona no novolavolain'ny fianakaviana, izay fototra iorenan'ny firenena iray, satria ny tsirairay tamintsika dia niainga teo anivon'ny fianakaviana. Ny fianakaviana maromaro miara-monina no nitambatra ho lasa firenena. Na eo aza ny fivoarana entin'ireo teknolojiam-pifandraisana, dia tsy ho entina hampisara-bazana ny ankohonana akory fa tokony hahatonga fihavaozana sy fivelaram-piainana aza izany, ho entina hampandroso ny firenena.
Fotoanan'ny fety isan-karazany izao : ny fetim-pirenena, ny fetin'ny ray, koa aoka iainana ny fifanajana mba hisian'ny fifankativana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Amin'ny maha-reny ny fiangonana dia manabe sy mampita aina ny fiangonana, fa indrindra manoro ny zanany hitory ny Evanjely. Ao amin'ny Laudatu'si dia mirona amin'ny fampandrosoana kokoa ny hafatra ka amin'izany dia hoe : "raha tiana ny hampandrosoana dia omena hasina ny olona tsirairay avy, ary tokony hipaka amin'ny olon-drehetra izany tsy mijery finoana, fiaviana na fahaizana". Farany dia tompon'antoka amin'ny fampandrosoana mba ho lovain-jafy ny olona tsirairay, manaraka ny fampianaran'ny fiangonana miaraka amin'ny fiaraha-monina sy ny fanjakàna.
Ny tontolo misy ny vehivavy reny ankehitry dia feno rotoroto sy ahiahy eo koa ny fisedrana ny fanatontoloana. Ny tontolon'izy ireo dia feno rentirenty sy fahasahiranana. Na eo aza iretsy voalaza iretsy dia tokony tsy hanadino loatra ny tenany ny vehivavy : ara-sakafo, ny fikarakarana vatana. Ilaina ny mifanatona, tsy mandeha irery. Mila mifankahazo tsara ny olona lahy sy ny vavy. Tsy hakivy dia tokony hahay hijery lafintsara foana isika. Itoeran'adidy lehibe ny vehivavy ka tokony hahery amin'ny famolavolana ny toe-tsain'ny ankohonana. Mila tohanana ny reny : Fifanampiana amin'ny raharaha ao an-trano, eo amin'ny fanabeazana ny taranaka ka mandrisika ny rehetra hitady ny fomba rehetra ary hiomana amin'ny fikarohana zavatra maromaro...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco