Tsy tokony hisy kantsentsitra hivelona ao anatin'ny olombelona. Rehefa betsaka loatra ireo kankana ao anatin'ny olombelona iray dia mety hanentsina ny lalan-kanina, vavony, aty, tsinay. Ireo fambara : mihamahia, marary kibo matetika, mety mitarika tsy fahampian-dra, mangidihidy ny lava-body. Ny kankana dia azo avy amin'ny tanana maloto, sakafo tsy voadio tsara na amin'ny fitaovam-pihinanana maloto, mety ho avy amin'ny rano nosotroina na nirobohana ihany koa ny kankana. Ny kankana dia mety ho tafiditra avy any am-bava na amin'ny alalan'ny maso-koditra...
Maro ny tranga mamoafady ataon'ny sokajin'olona rehetra. Fanabeazana tsara no vahaolana ahafahan'ny tsirairay mifehy ny fakam-panahy mivoana amin'ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny lafiny ara-pananahana. Fandaharana momba ny fahaiza-miaina sy mitia, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco iarahana amin'ny centre Arrupe Madagasikara.
Ny fahefana anaty dia ahitana ireto : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Ny sakana anaty dia hatarafana ireto : ny fialonana, ny fanaratsiana ary ny fiandaniana. Ny safidy dia anao : na ny fahefana anaty no iainana na ny sakana anaty. Fandaharana "mba ho vanonoa" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny sora-tanana dia misy lanjany eo amin'ny fampitàna fahalalana ankehitriny. Na miroborobo aza ny teknôlôjia dia mbola misy lanjany ny sora-tanana. Ny soratra dia fitaovana hifaneraseràna maharitra sy azo tehirizina. Ny sora-tanana dia mampiseho ny maha-izy azy ny olona iray, ahafahana mamantatra ny toetrany ihany koa. Misy fiatraikany mivantana amin'ny mpamaky ny soratra iray. Ny mpampianatra dia tokony ho filamatra amin'ny lafiny ara-tsoratra. Ny mpampianatra ratsy soratra dia mety hatonga ny ankizy ho sahirana amin'ny fianarana ataony, ary mety hatonga azy ho kamo. Ny soratra tsara sy milamina eny amin'ny solaitrabe dia manampy ny ankizy hifantoka sy manampy azy haazo kokoa ny lesona.
Manan-danja lehibe ary tsy maintsy ilain'ny vatan'olombelona iray, mitovy amin'ny rano sy ny sakafo, ny torimaso. Misy fihatraikany ratsy ho an'ny fahasalamana ny tsy fahampian'ny torimaso. Ny faharetan'ny torimaso dia miankina amin'ny toe-batan'ny olombelona iray sy ny asa ataony. Ny zaza 0-3 volana dia maharitra 14-17 ora ny torimasony ; ny ankizy 6-13 taona dia 9-11 ora ; ny tanora 14-17 taona dia 8-10 ora, ary ny olon-dehibe 26-64 taona dia 7 ora hatramin'ny 9 ora ny faharetan'ny torimasony. Rehefa mitombo ny taonan'ny olombelona iray dia miha-antitra koa ny ao anaty atidoha ary misy fihatraikany amin'ny torimaso.
Nahomby amin'ny ankapobeny ny Fandaharan'asa PLAE-IV eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Namatsy vola ny Fiaraha-miasa Alemana KFW sy ny Governemanta Malagasy. Fandaharan'asa nandritra ny 5 taona, niasa tamin'ny Faritra miisa 4 teto Madagasikara : Sofia, Amoron'i Mania, Matsiatra-Ambony ary Ihorombe...
Zava-dehibe eo amin'ny singa maha-olona ny safidy ka tsy azo tsinotsiniavina. Noho izany dia mila saina mahay mandinika sy malina tsara eo am-pandraisana safidy satria ny fiantraikany tsara na ratsy vokatry ny safidy natao dia mety hoenti-maty na ho an'izay nanao azy na ho an'ny hafa ihany koa... Fandaharana "miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ho an'ny mpianakavy dia ilaina ny fifanampiana. Ny fifanampiana dia mampifanakaiky am-po ary manamafy ny fifankatiavana eo amin'ny ankohonana. Ny fifanampiana dia mampisy rafi-tsaina, izay mahatonga olona iray ho tompon'andraikitra, ho afaka hampiasa fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.
Hitsinjovana ny fahasalaman'ny olona rehetra dia naka fepetra ny holafitry ny mpitsabo ka namoaka fifanarahana mba hanentanana ny tsirairay hamantatra ny olona hanankinana ny fahasalamana. Mifampiankina ny andraikitry ny olona hitsabo anao sy ianao tsaboina. Ny anjara andraikitry ny mpitsabo : Fanabeazana ara-pahasalamana, manazava ny fomba hitandroana ny fahasalamana, fa tsy mandresy lahatra, izany hoe maneho hevitra ka ny olona manoloana azy no tompon'ny fanapahan-kevitra farany.
Tsy azo tsinontsinoavina ny anjara biriky entin'ny fampiasana fitaovana nohatsaraina mifanaraka amin'ny filan'ny tantsaha ary mifanaraka ihany koa amin'ny fivoaran'ny teknika misy ankehitriny. Hirika mampitombo sy manatsara ny kalitaon'ny vokatra amin'ny fambolena... Dingana sy ezaka maro anefa no nolalovan'ny Malagasy mamokatra ireny fitaovana ireny.
Tokony mahay mifampikarakara, mahay mifanampy amin'ny zavatra, ilàna fifanampiana, ny rehetra na ireo mandrafitra ny fianakaviana na ny mpivady na ny fiaraha-monina. Raha ireo fepetra ireo no tanteraka dia hisy ny filaminana sy ny fahadiovana, izay misy fiatraikany amin'ny toe-tsaina sy ny toe-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Desiré Ramakavelo.
Ny pesta dia aretin'ny voalavo mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny parasy, na amin'ny alalan'ny piti-droran'ireo olona mararin'ny pesta, na amin'ny alalan'ny fikirakirana ireo biby mitondra ny aretina na mararin'ny pesta. Ny vanim-potoana mampirongatra ny pesta dia eo anelanelan'ny volana avrily hatramin'ny desambra anefa mety hitranga mandavan-taona ihany. Ny pesta atoditarimo dia mihombo ao anatin'ny 1 hatramin'ny 7 andro, ny pesta areti-tratra dia mety ho ao anatin'ny 24ora, ary ny pesta septisemika dia fotoana fohy. Fisorohana : fanadiovana ny manodidina, sy manoana voalavo. Ny aretina pesta dia aretina tsy maintsy ambara...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco